Mbola maro ireo toerana sy biby manan-jina eto amintsika, ka mila hajaina sy harahina hatrany ny fomban-tany misy, mba hialana amin’ny tranga tsy ampoizina tsy takatry ny saina hazavaina hiteraka loza. Ankizy lahy kely iray 5 taona voalaza fa nilalao sy nampijaly biby manan-jina no namoy ny ainy, tao an-tanànan’Antatatra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, faritra Sofia. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, ankizy telo lahy no nandeha niara-nilalao tany an-tsaha. Teny an-dalana anefa ireto « tsaiky hely » nahita Androngovato. Nosamborin’izy ireo ilay biby, avy eo nampijaliana, ka rehefa nalemilemy tsy afa-nandeha, dia navelan’ireto zaza teo, satria nihevitra ireto farany fa efa maty. Akory ny hatairana ho an’ny rehetra noho ny alina ny andro, fa rehefa tonga tany an-trano ny iray tamin’ireo zaza namono an’ity biby voalaza fa manan-jina, dia narary tampoka ary hafahafa ny fisehon’ny aretina. Niezaka nanontany an’ilay zaza ny ray aman-dreny, fa tsy nety nilaza ny marina izy. Ny ampitso marainan’io, namoy ny ainy ilay zaza. Taorian’izay, nofotorana lalina ireo ankizy roa namany velona, izay nandeha niara-nilalao tamin’ity namoy ny ainy ity tany an-tsaha, dia nitantara ny zava-nisy, ka teo vao fantatra fa ny filalaovana biby sy fampijaliana izany no nitarika ny fahafatesana.
Eric Nahoda




