- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy fandriam-pahalemana teny Alasora : Hisy barazy fisavàna isaky ny fokontany

Tsy fandriam-pahalemana teny Alasora : Hisy barazy fisavàna isaky ny fokontany

Nisesisesy tokoa ary nanao ranolava tanteraka ny fanafihana teny amin’iny faritra Alasora iny, tato ho ato. Manoloana izay firongatry ny tsy fandriam-pahalemana izay dia nandray fepetra henjana ireo tompon’andraikitry ny tanàna, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana taorian’ny fivoriana izay nataon’izy ireo. Fantatra tamin’izany ary fa hapetraka ny barazy isam-pokontany, manomboka amin’ny sivy ora alina, izay hiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana. Hisy ny fisavàna karapanondrom-pirenena ho an’ireo olona mbola mandeha sy tratra aorian’io ora voatondro io. Manaraka izany dia nambara fa tsy maintsy mikatona amin’io ora io avokoa ireo toeram-pisotroana sy firevirevena rehetra, ao anatin’izay ny karaoke. Hisafo tsy an-kiato izany toerana izany ireo mpitandro filaminana ka hiroso amin’ny fanasaziana ho an’ireo izay mbola minia mandika izay. Marihina fa mpitandro filaminana maromaro, izay iarahan’ny zandary sy ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria, hampian’ireo avy ao amin’ny sampana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika no hahetsika hiandraikitra izany eny amin’iny faritra iny, manampy ny andrimasom-pokonolona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici