- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Nolerany antsy ny vady aman-janany

Ambohitrarahaba : Nolerany antsy ny vady aman-janany

Zava-doza sy habibiana mahatsiravina no vitan’ity raim-pianakaviana iray tetsy Ambohitrarahaba, ny alahady lasa teo. Nolerany antsy avokoa ireo vady aman-janany, ary namono tena ny lehilahy nony avy eo. Maty tsy tra-drano ilay zaza, naratra mafy kosa ilay renim-pianakaviana izay mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy fantatra mazava izay tena anton’izao loza mahatsiravina niseho izao, raha ny fampitam-baovao azo. Raha ny zava-nisy mantsy, araka ny angom-baovao azo hatrany dia tampoka teo, raha mbola samy variana teo avokoa ireo ankohonany kely no nalainy ny antsy. Tsy nilasalasa ny lehilahy fa avy hatrany dia notrobarany izany zava-maranitra izany ilay zanany vao herinantaona mahery monja. Tsy namelàny raha tsy tapitra ny ain’izany tsy manan-tsiny izany. Taitra noho izany ilay renim-pianakaviana ka niezaka nanesotra sy niaro an-janany, kanjo niantefa tany indray ny antsy. Tsatok’antsy maromaro no nihatra tamin’ity vehivavy ity. Nandriaka tao amin’ilay tokantrano ny rà. Ny antso vonjy sy kiakiaka no nanaitra ireo manodidina ary niezaka nijery ny zava-nisy kanjo vatana telo nihoson-drà, toa samy efa tsy misy aina intsony no hitan’ny rehetra. Ilay rangahy ihany koa mantsy, niampatra teo am-povoan-trano : nisy diana antsy teo amin’ny tendany ary mbola nitana izany zava-maranitra izany ny tanany. Niezahana novonjena avokoa izy ireo, saingy voalaza fa efa namoy ny ainy noho ny rà very ilay rangahy sy ny zanany. Ilay ramatoa kosa no mbola nisy aina ary nentina haingana nihazo toeram-pitsaboana. Tonga nijery ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana mahakasika ity tranga mampivarahontsana ity taorian’izay ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici