- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : ENSOA : Manamboninahitra lefitra 124 navoaka tamin'ny fomba ofisialy

Vakinankaratra : ENSOA : Manamboninahitra lefitra 124 navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Ny ENSOA na « Ecole Nationale des sous Officier Antsirabe » no sekoly hany tokana mampiofana manamboninahitra lefitra eto amin’ny Nosy. Manamboninahitra 124 no nahavita fiofanana nandritra ny 12 volana tao amin’ny ENSOA ary izao navoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Alarobia 6 oktobra lasa teo. Mizara roa ny fampiofanana omena ny manamboninahitra lefitra, misy ny fampiofanana omena ireo miaramila miasa sy miantsehatra any anivon’ny rezimanta isankarazany no tonga mandranto fianarana ao amin’ny sekoly mba hiakarany amin’ny mariboninahitra ambony kokoa, misy koa ny fampiofanana amin’ny ankapobeny tsy mifidy mari-boninahitra hiakarana.

Ireto navoaka ireto dia isan’ireo miaramila niofana hiakarana mari-boninahitra « Elèves des Sous Officiers Spéciaux » na ESOS. Ny mampiavaka azy ireto dia ny fepetra nidirany tao amin’ny Sekoly. Reherahan’ny sekoly ity andiany ity hoy hatrany ny kaomandin’ny sekoly satria manana mari-pahaizana ambony izy ireo, Bacc + 2 ny ambany indrindra raha toa Bacc +5 kosa ny ambony indrindra. Misalotra ny anarana Vanja ity andiany fahatelo amin’ny ESOS ity. Alefa miasa, miantsehatra avy hatrany hampihatra ny fahaizana amam-pahalalana norantoviny ireto ESOS ireto aorian’izao ary ho tsinjaraina handrafitra ny rafitra miaramila vaovao vao napetraka.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici