- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAtsinanana : Oniversiten’i Toamasina Barikadimy : Mpiasa 13 notolorana mariboninahitra, mpianatra 296...

Atsinanana : Oniversiten’i Toamasina Barikadimy : Mpiasa 13 notolorana mariboninahitra, mpianatra 296 nomena mari-pahaizana…

Nitokona teo anoloan’ny vavahadin’ny oniversite ireo mpandraharaha tao Barikadimy raha vao naheno fa ho avy teto Toamasina ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny zoma teo. Naranty tamin’izany ireo fitakian’ireto mpandraharaha ireo, isan’izany ny karaman’ny mpiasa, ny tambin-karama « technicité », ary ny fisotroan-dronono ho an’ireo mpiasa tafiditra tamin’izany ny taona 2020 sy 2021. Tamin’ny ora farany anefa dia tsy tonga teto Toamasina, fa nandefa solon-tena dia ny talen’ny « assurance qualité » eo anivon’ny minisitera niatrika ny lanonana natao ny minisitra.

Nandritra ny lanonana natao tao amin’ny « grand amphi »-n’ny oniversite Barikadimy, dia nosokafana tamin’ny fanolorana mari-boninahitra tamin’ireo mpandraharaha sy mpanabe nahavita be teo anivon’ny oniversite ny lanonana. Nanolotra izany ny talen’ny mari-boninahim-pirenena Rtoa Rakotonarivo sy ny prefen’i Toamasina Atoa Razafiarison Jean Jugus. Isany notolorana izany ireto olona manaraka ireo araka ny didim-panjakana laharana 2019-054 ny 01 Febroary 2019: iray nahazo ny « grand croix 2ème classe » Atoa Randrianatoandro Jacques, efatra notolorana « grand officier », telo nomena ny « commandeur de l’ordre nationale», ary dimy notolorana ny « chevalier de l’ordre nationale »; tao anatin’izany ireo mpandraharahan’ny DEGMIA mirahalahy. Tamin’ny fampahafantarana ireo mpianatra notolorana mari-pahaizana ireo dia fantatra fa mpianatra miisa 296 no nahazo izany, izay misalotra ny anarana indray mihira « MASOVA ». Ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no mpiahy ireto andiany indray mihira ireto. Miisa 289 ireo nahazo ny mari-pahaizana « licence » ny taom-pianarana (2017-2018) teo anivon’ny DEGMIA, ka nahazo izany teo anivon’ny sampampianarana Lalàna (Droit) miisa 98, ny sampampianarana Fitantanana (Gestion) miisa 65, ny sampampianarana Toe-Karena (Economie) miisa 92, ary ny sampampianarana « Mathématiques – Informatique – Application » miisa 20. Teo koa ireo mpianatra 07 nahazo ny « master » tamin’ny sampampianarana fitantanana (Gestion). Tokony ny taona 2020 no navoaka ireto mpianatra ireto saingy voasakan’ny valanaretina Covid-19 noho ny fihibohana nidiran’ny fanjakana, ka izao nahemotra ny zoma 08 oktobra 2021 izao izany.

“Izay mianatra ihany no tafita tahaka izao, ka tsy marina ny resa-be mikasika ny oniversite antsika amin’ny fisian’ny kolikoly amin’ny fahafahana sy fahazoana mari-pahaizana”, izay no laha-tenin’ny filoha mpisolo toerana ny oniversiten’ny Barikadimy. Tokony samy ho tonga saina ny rehetra mikasika izany resaka kolikoly izany, fa tena manimba ny oniversite izany ka mila manamarina ny tranga misy ny rehetra na ireo mpanabe izany na ireo mpianatra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici