Natolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy lasa teo ireo olona voarohirohy tamin’ny fanafihana mpivarotra nitranga tetsy Ambohimangakely ny herinandro lasa teo, rehefa avy natao andrimaso sy nalaina am-bavany tao ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandary tao Ambohimangakely. Niisa enina moa izy ireo ka ny efatra tamin’izy ireo no avy hatrany dia nadoboka am-ponja vonjimaika, niandry ny fotoam-pitsaràna azy, raha ny roa tamin’izy ireo kosa no arahin’ny fitsaràna maso akaiky.
Tsiahiviana fa ny alakamisy hariva lasa teo no nitranga ity fanafihana ity, izay nahalasibatra fivarotana miisa telo be izao. Andiany maromaro ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, izay nirongo basy vita gasy sy zava-maranitra, izay nentin’izy ireo nandrahonana ireo voatafika. Vola an-tapitrisany maro no lasa tamin’io fotoana io. Soa ihany, tsy lavitra teo nisy ireo zandary manao fisafoana, notarihin’ny lehiben’izy ireo, ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, izay tafiditra ao anatin’ilay hetsika « papango », hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Vetivety dia nisy ny tratra tamin’ireo mpanafika, raha iny an-dalana hitsoaka iny ry zareo. Tsy ela dia tafakatra enina ireo voasambotra. Basy vita gasy iray ihany koa no narian’ireto farany ary saron’ireo mpanenjika. Teo no ho eo ihany dia nentina natao famotorana sy notazomina tany amin’ny birao ireto olona voasambotra ireto, ary dia izao natolotra ny Fampanoavana izao.
m.L




