- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Vehivavy niavonavona, novonoina ho faty

Mandroseza : Vehivavy niavonavona, novonoina ho faty

Dia zavatra kely tsy misy dikany tokoa dia mety mahatonga ny olona sasany haningotra ny ain’olona hafa mifanerasera aminy. Vehivavy roa sy lehilahy iray tokoa mantsy no nosamborin’ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava, teny Andravoahangy sy Ankadifotsy, noho ny resaka famonoana vehivavy iray. Voalaza mantsy fa nialona fatratra azy ity ireo voasambotra. Ilay lehilahy kosa nilaza fa vehivavy miavonavona izy io.

 

Ny tapatapaky ny volana jona teo no nitranga ity famonoana ity, raha ny nambaran’ny pôlisy. Tamin’io andro io mantsy dia vehivavy iray no hita nihohoka tao anaty tatatra, nisy namono teny amin’iny faritra Mandroseza iny. Tamin’ny fijerena ifotony ny zava-nisy tamin’io fotoana io dia hita fa mbola teny amin’ny tanan’ity vehivavy hita faty ity ny findainy. Izay no nentin’ireo mpanao fanadihadiana namantarana ny mombamomba azy sy niantsoana ny fianakaviany. Fantatra tamin’izay fa vehivavy mipetraka eny amin’iny faritra Tsaramasay iny ity olona ity. Nosokafana teo ihany ny fanadihadiana nahakasika ity vono olona, izay nosahanan’ny pôlisin’ny BC tetsy Anosy. Nametraka fitoriana rahateo ihany koa ny fianakavian’ity vehivavy nisy namono ity taorian’io. Volana vitsy taty aoriana, namokatra ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso nataon’ireo mpanao famotorana. Vehivavy iray izay fantatra fa niaraka taminy farany, talohan’ny nahafatesany no nosamborina sy natao famotorana, ny herinandro lasa teo. Izy, izay voalaza fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny famonoana ilay vehivavy. Nilaza sy nanoro ny namany hafa ity voasambotra ity : lehilahy iray sy vehivavy iray hafa, izay niara-nosamborina teny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Samy nentiny nalaina am-bavany tao amin’ny biraon’ny pôlisy avokoa moa izy telo ireto. « Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa noho ny fialonana no nahatonga azy roa vavy hamono ilay namany ; noho izy niavonavona kosa no nahatonga ilay lehilahy namono azy ihany koa » hoy ny vaovao. Ny faran’ny herinandro teo no natolotra ny Fampanoavana izy telo ireto ary samy nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

 

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici