- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkatso : Ramatoa 54 taona ilay hita faty tao anaty ala

Ankatso : Ramatoa 54 taona ilay hita faty tao anaty ala

Nampivarahotsana ny maro ny fahitàna ilay razana niara-may tao anaty ala tetsy Ankatso. Raha tsiahivina, ny harivan’ny zoma teo tokony ho tamin’ny dimy ora, dia tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina izay nisy nampandre noho ny fahamaizan’ny hazo ao anatin’ny fari-piadidian’ny oniversite. Rehefa natao ny famonoana ny afo dia tsikaritra fa nisy fatin’olona koa tao. Teo dia sarotra ny namantatra ny razana ary naterina teny amin’ny tranom-paty. Ny fianakavian’ny olona iray izay nitady an’io farany rehefa tsy hita nandritra ny iray andro no tonga nanamarina ny razana ary nilaza fa ny havany tokoa io. Ny fanazavan’ny fianakaviana no nahafantarana fa ramatoa 54 taona ilay razana. Ny zoma maraina teo dia nifanao fotoana tamin’olona teo Besarety no nivoahany ny trano. Nanomboka teo izy no tsy hita intsony ka nahatonga ny havany nanao ombay mitady tamin’ny tambajotran-tserasera ny marain’ny asabotsy. Tsy fanaon-dramatoa mihitsy ny tsy mody sy tsy mampandre ka isan’ny nampikoropaka ny fianakaviana, raha araka ny fanamarihana. Raha ny fihevitry ny maro momba ity raharaha ity izany dia novonoina ary natsipy tao amin’ny sous-bois ao Ankatso ny razana. Nodorana izany nony avy eo mba hamafàna izay mety ho porofo rehetra. Ny fanadihadiana izay tsy maintsy raisin’ny sampana misahana ny heloka bevava no hamaritra izany ary indrindra koa momba ny antony namonoana azy raha tena vonoan’olona niniana tokoa no nialohavan’ity fandoroana ala ity. Zava-dehibe amin’ny tokony hihazakazahan’ny fanadihadiana mba hamantarana ny marina ity nahafantarana ilay ramatoa ity.

 D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici