- Publicité -
mercredi, octobre 15, 2025
AccueilFaits-DiversNosy be : Mpanjono an-dranomasina 10 lahy tsy hita popoka

Nosy be : Mpanjono an-dranomasina 10 lahy tsy hita popoka

Misavorovoro ny sain’ireo fianakavian’ireto lehilahy miisa 10 monina ao Bealanana, Faritra Sofia iny amin’izao fotoana izao ka manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra rehetra voakasik’ity raharaha ity. Araka ny loharanom-baovao, dia olona avy any Bealanana izy ireo ary  handeha hiasa amin’ny resaka jono no nialan’izy ireo tany an-toerana tany amin’ny fiandohan’ny volana aogositra tany ho any. Hatreo dia toa hoe tsy nandrenesam-baovao intsony izy ireo. Rehefa nanadihady ireo fianakaviana dia naheno fa ny faha-16 aogositra teo no niondrana tamin’ny botry iray tao Nosy be ka handeha hanjono any amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Sambatra na « île Glorieuse » no nahitana azy ireo farany. Indrisy anefa fa toa hoe mbola tsy tafaverina ao Nosy be io botry io ary mbola tsy hita popoka ihany koa ireo olona ireo. Manahy, noho izany, ny havan’izy ireo any Bealanana ny amin’izay mety nanjo azy 10 lahy. Fantatra, fa ny nosy Sambatra dia tafiditra ao anatin’ireo Nosy Malagasy izay mbola bodoin’ny Fanjakana Frantsay amin’ny Firenena Malagasy amin’izao fotoana izao. Mahasarotiny an’i Lafrantsa io nosy kely io ary arovany mafy mihitsy. Tranga iray izay efa niarahan’ny be sy ny maro nandre ary nitarainan’ireo vondron’olona mitaky ny hiverenan’ireo voalaza fa Nosy Malagasy ireo ny nisian’ireo mpanjono maromaro izay nosamborin’ny miaramila Frantsay raha niditra nanjono tany amin’iny fari-dranomasina iny. Koa Manahy ny mety hisian’ny zavatra toy izany ihany koa ny havan’izy 10 lahy nanjavona ireto.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici