Lasa biby fampitahorana olona ny fisian’ny polisy mpiambina manokana ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy tranga miseho eo anivon’ity seranan-tsambo sy ny tontolon’ny mpiasa ankehitriny. Raha iverenana ilay tranga dia ny volana jona teo no niseho voalohany, ny volana aogositra kosa ny seho faharoa, ary tamin’ity volana oktobra ity ny tranga fahatelo tamin’izany olona niseho izany momba ilay polisim-pirenena mpiambina ny tale jeneraly amin’ny fampihorohorona ny mpiasan’ny seranan-tsambo. « Mihetraketraka sy mizahozaho izy io ka manao ny tsy refesi-mandidy aminay mpiasa… », hoy ireo mpiasa nitaraina tamin’ny mpanao gazety. Nilaza hatrany ireto mpiasa « madinika » fa « izahay amin’ny fiambenana sivily miasa eo anivon’ny seranan-tsambo manokana dia efa nisy nahiditra am-ponja sy rahonana horoahina matetika ». Tranga iray tamin’izany ny fahaverezan’ny solika tamin’ny kamiao iray. Neken’ilay mpiambina tamin’io fotoana io ny hanonitra izany solika very izany. Io anefa no nidiran’ilay mpiambina ny tale jeneralin’ny seranana ka tsy nekeny raha tsy niditra am-ponja vonjimaika ilay mpiambina sivily. Nanao fanadihadiana tamin’ny talen’ny polisy Toamasina, Laubel Rakototiana, ny mpanao gazety mikasika ity raharaha ity, ka nilaza ity talem-paritry ny filaminana Toamasina ity fa tsy anjara andraikiny intsony ity polisy ity fa efa « détachement », ka ny tale jeneralin’ny seranana no lehibeny amin’izao fotoana izao.
Malala Didier