Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teto Antsirabe. Zazalahy kely vao 13 taona monja no maty, nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray ny môtô nentiny. Tao Sahatsiho amin’ny lalam-pirenena fahafito, alohan’ny hiditra ny tanan’Anatsiraba no niseho ny loza ny Alarobia 20 Oktobra lasa teo. Somary efa hariva ny andro satria tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ny loza, ratsy rahateo ny andro tamin’io fotoana io satria tao anaty ora-mikija no nisehoan’ity loza ity. Avy any avaratra izany hoe midina amin’iny fidinam-be iny ilay tovolahy kely nitondra môtô no avy hatrany dia nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray miakatra nifanena taminy. Tsy nisy nahalala loatra ny antony nampifandoana ilay môtô sy ilay fiara lehibe aloha hatreto fa nipitika alavitra ilay zazalahy kely taorian’ny fifandonana ary izao nitarika azy tamin’ny fahafatesana izao ny ratra nahazo azy. Ankoatra izay dia lehilay iray ihany koa no naratra mafy teto Antsirabe antapotanana ny andron’io hatrany. voalaza fa cyclo posy nanapaka arabe tampoka no nahatonga ny loza. Samy naratra mafy avokoa izy roa lahy. Tsikaritra fa miha betsaka loatra ny cyclo posy eto Antsirabe antapotanana, tsy mitsaha mitombo ny fisiany ary matetika izy ireo no mahatonga ny loza amin’ny ankapobeny eto Antsirabe andrenivohitra, raha ny fantatra anefa dia voafetra ihany ny famokarana azy ity nefa dia izao hita mibaribary izao ny fitombony tsy ankijanona ny lalana tery rahateo ka tokony hojeren’ny tompon’andraikitra ny momba azy ity.
Andry N




