- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversJirama : Toamasina Ho tapaka faobe ny herinaratra indroa sabotsy

Jirama : Toamasina Ho tapaka faobe ny herinaratra indroa sabotsy

Niantso mpanao gazety ny Jirama Toamasina tamin’ny alalan’ny taleny eto Toamasina, nanazavany ny fanapahana herinaratra faobe manerana ny Tanàna hataon’ny Jirama indroa sabotsy dia ny faha-23 sy ny faha-30 ny volana oktobra, izay hanomboka amin’ny 5 ora maraina izany hatramin’ny 10 ora misandratr’andro. Araka ny fanazavan’ity talen’ny Jirama Toamasina ity dia noho ny ho fiantrehana ny taom-piotazana sy taom-panondranana lodsia amin’ity taona ity. Mila herinaratra matanjaka mantsy ireo mpanondrana lodsia any ivelany ireo, ka ilaina dien’izao ny fisahanana ny fanamboarana izany herinaratra izany hialana amin’izay mety ho fahatapahana tampoka. Hanomboka eny amin’ny tobim-pamokarana eny Betainomby izany, mandalo amin’ny tamban-jotra mpitateraka sy tambajotra mpizarana ny herinaratra, ary mankany amin’ny fanesorana ireo zava-maniry manelingelina ireo tambajotra roa ireo. Mpiasa sy teknisiana maro avy amin’ny Jirama no hisahana izany rehetra izany, satria tena mila herinaratra matanjaka be ireo mpandraharaha amin’ny lodsia ireo, mba ahafahana misahana izany ao anatin’ny fotoana fohy amin’ny maha vokatra mora simba ny lodsia. Mandritra izao fanapahana herinaratra faobe izao koa no hanararaotan’ny Jirama ny fanatsarana ny tolotra omeny ho an’ny mpanjifa sy ho an’ny vahoakan’i Toamasina, izany dia hiala amin’ireo fahatapahana mety hitranga amin’ny herinaratra, nefa isika eto Toamasina manana ambim-bava amin’ny herinaratra vokarina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici