- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversTrafika sy fakana an-keriny zaza varira : Naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanànan’i...

Trafika sy fakana an-keriny zaza varira : Naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanànan’i Bezaha sy olona 5 hafa

Niakatra Fampanoavana, ny asabotsy teo, tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Toliara, ny raharaha trafika sy halatra ary fakana an-keriny zaza lahy varira iray 12 taona, nitranga tany amin’ny fokontany Befamoty, kaominina ambanivohitra Tanambao Haut, distrikan’i Betioky Atsimo, ny alin’ny 6 septambra lasa teo. Rehefa nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana ireo enina voarohirohy dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara ny ben’ny tanànan’i Bezaha sy ireo dimy lahy niaraka taminy voasaringotra tamin’ity afera maloto ity, ary misy olona maromaro ihany koa namoahan’ny fitsarana didy fikarohana. Araka ny torolalana avy tamin’ny Fitsarana hatrany dia rahampitso talata 26 oktobra no hiverina hatao famotorona lalina ireo niharam-boina sy ireo vavolombelona. Ilay zaza varira kosa, ho fiarovana ny ainy, dia napetraka any amin’ny mpitandro filaminana ary atao andrimaso mafy.

Ben’ny tanàna roa karohina fatratra. Noho ny fitarihana olona nokaramaina hikomy sy hitokona hanohitra tsy hankato ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana. Teo ihany koa ny fanalana baraka tsy misy porofo manamboninahitra Zandary, . . . Ben’ny tanàna roa izay mpiray petsapetsa amin’ity ben’ny tanàna naiditra am-ponja ity no karohin’ny mpitandro filaminana fatratra nanomboka afak’omaly hariva. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ambony iray : « manan-jo hiaro tena izay voarohirohy fa tsy mila fikomiana. Tsy natao ho fialokalofana amin’ny ratsy natao ny maha olom-boafidy na ny fikambanana na ny dinam-piaraha-monina. Ny famotorana lalina no mamaritra ny vesatra mianjady na ny vesatra manafaka eo anoloan’ny Fitsaràna sy ny Lalàna. Aoka tsy hotaomina handika lalàna ny mponina miandany aminao. Ny tombotsoam-bahoaka no atao fenitra hirosoana amin’ny fampandrosoana. »

500 tapitrisa Ar. Raha tsiahivina, ity ben’ny tanàna nidoboka am-ponja vonjimaika ity no naka ilay zaza varira rehefa navosotr’ireo naka an-keriny azy, ny narain’ny 16 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny  dimy ora, ary nanaovana « werawera » sy fetibe eran’ny tanàna izany. Ny 26 septambra lasa teo,  nidina ifotony tany tamin’ny toerana nisehoan’ny tranga ny zandary notarihan’ny « Officier Coordinateur »-n’ny zandarimaria ao Betioky Atsimo nanao fanadihadiana lalina. Tamin’ny famotorana natao azy, nilaza ny iray tamin’ireo voasambotra, ary nanitrikitrika mafy ity farany fa Ingahy Ben’ny tanàna no nampaniraka azy ireo haka an-keriny an’io zaza io, ary hamidy 500 tapitrisa ariary any Fotadrevo, distrikan’Ampanihy Andrefana ity varira. Rehefa nofotorana kosa ilay varira mahakasika ny fakana an-keriny azy, dia nanonona foana ny anaran’ity ben’ny tanàna ity, na dia norahonan’ity olomboafidy ity ho faty azy izy. Ary nilaza ihany koa ilay zaza fa tsy tany Anavihavy, kaominina ambanivohitra Beraketa, distrikan’i Sakaraha izy no nafenina, fa tany anaty kirihitr’ala akaikin’ny Lazarivo, 85km atsimo atsinanan’i Betioky.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici