Niainga tany amin’ireo tontakely, mpandroba ireo biby fiompin’ny mponina teny amin’iny faritra Ambohimanarivo, Talata Volonondry sy ny manodidina iny, ary nipaka hatrany amin’ny mpivaro-kena, mpandray ireo hena halatra, aty an-drenivohitra. Ravan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritr’Ambohimanarivo izany tambajotran-dahalo izany, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Efa maro tokoa ireo tokantrano lasibatra teny amin’ireo faritra manodidina voalaza etsy ambony ireo, nanaovan’ireo dahalo ireto azy. Tsy vitsy ireo niraviravy tanana, very fananana tao anatin’ny indray alina monja. Tsy vitan’ny omby intsony mantsy no ataon’ireto olon-dratsy ireto mahita faisana fa na hatramin’ny kisoa aza, izay poizin’izy ireo amin’ny fanafody famonoana voalavo, izay vao entina rasarasaina sy hamidiny mora ny hena amin’ny mpivaro-kena iray. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary iray teny an-toerana dia efa maro ireo fitairanana azo, antony nanosika azy ireo hamandrika ireto tontakely ireto.
Ny herinandro lasa teo tokoa mantsy, nisy ny angom-baovao azon’izy ireo fa misy olona mampiahiahy, milonjehatra gony maromaro feno hena, miandry taxi-brousse, tsy lavitry ny tobin’ny zandary, tetsy Ambohimanarivo, kilaometatra vitsy monja tsy ahatongavana eo Talata Volonondry. Nametraka paik’ady avy hatrany ireto mpitandro filaminana, nanaraka taxi-brousse iray ary nijanona teo amin’izy ireo. Noraisim-potsiny teo araka izany ny sasany raha nitsoaka ireo namany hafa. Mbola tratra teny amin’izy ireo hena avy tamin’ireo omby sy kisoa halatra. Tamin’ny fanadihadiana ireto farany no nahafahana nisambotra ireo namany hafa sy mpivaro-kena iray tetsy Ambohitrarahaba.
Tsy ampoizina ! Fantatra araka ny angom-baovao azo moa fa manana anjara asa tsirairay avy ireto tontakely ireto. Ny vehivavy, satria ny roa tamin’ireo voasambotra dia andriambavilanitra tokoa, dia mitily fotsiny ireo tokatrano ho atao lasibatra ny andro, ireo telolahy ambiny kosa, manao ny asa ratsy rehefa alina ny andro. Ary mazava ho azy fa efa misy ny mpandray izany hena rehetra azon’izy ireo. Heverina araka izany fa taorian’izao vokatra azo izao, dia mba hilamin-tsaina amin’ireo mpiompy eny amin’iny faritra iny. Marihana fa omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto dahalo enina ireto.
m.L