hanokatra oniversite tsy miankina lehibe
Mankalaza ny faha-dimy taona niorenany ny « Collège Rabe Jules » Anketa Toliara. Ny 22 oktobra 2016 no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sekoly izay mifototra tanteraka amin’ny fampianarana teny frantsay ireo mpianatra ao aminy manomboka amin’ny maternelle ka hatramin’ny kilasy famaranana. Mampiavaka an’ity sekoly tsy miankina ity ihany koa ny fananany fandaharam-pampianarana mifototra amin’ny sekoly maitso ho fananjariana ny tontolo iainana, ary manana velaran-tany fambolena ala honko mihitsy izy ireo. Tombony lehibe ho an’ny sekoly, vao kilasy faha-enina ny mpianatra mandrato fianarana ao dia mianatra sahady teny sinoa, ary maromaro ireo mpianatra afaka bakalorea tao amin’ny kolejy no mandrato fianarana any Chine ankehitriny. « Na dia miaramila ny tenako dia mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ho avin’ny taranaka faramandimby, ka izany no antony nanosika ahy nanorena ny sekoly, mba ho valim-babena ho an’i Toliara tanindrazako », hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny CRJ.
100% -n’ny voka-panadinana. « Noho ny fisian’ny fitsipi-pehezana matotra ato amin’ny sekoly, izay mifototra amin’ny « Science et sagesse » dia tsara foana ny voka-panandinam-panjakana hatramin’ny niforonan’ny sekoly. 100% hatrany ny Cepe, 95% ny voka-panandinana bakalorea farany teo. Ny tanjona hahatonga ity sekoly izay mahazaka mpianatra hatramin’ny 1.850 ity ho farany sangany indrindra eto Toliara, raha 500 amin’izao ireo ankizy mandranto fianarana ato aminay », hoy Kolonely Rabe Jules, nanohy ny fanazavany. Mba hanala fahasahiranana ho an’ireo ray aman-dreny, satria lafo ny mampiana-janaka any Antananarivo. Mieritreritra ny mpitantana sekoly ankehitriny hanokatra « Institut Supérieur des Technologies et de Management », ka lalam-piofanana miisa dimy ilain’ny Faritra Atsimo Andrefana no hianarana ao. « Efa vonona ny fotodrafitrasa rehetra. Efa tafapetraka tany amin’ny minisitera ihany koa ny taona 2017 ny fangatahan-dalàna hisokatra (demande d’habilitation. Miandry ny fahazoan-dalàna avy amin’ny fanjakana izahay ankehitriny hisokafan’ny ISTM, mba ho tombontsoan’ny vahoakan’i Toliara. »
Eric Manitrisa
Mp