- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny : Raikitra ny fifanenjehana, olon-tsotra sy jiolahy iray voatifitra

Fakàna an-keriny : Raikitra ny fifanenjehana, olon-tsotra sy jiolahy iray voatifitra

Nitrangana fandrombana niharo fakàna an-keriny tao amin’ny tanàna iray, tany amin’iny distrikan’Imanja iny, ny alahady teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy ka avotra soa aman-tsara ilay olona lasa takalon’aina, taorian’ny fifanandrinana.

Tokony ho tamin’ny folo ora maraina, ny alahady teo no nitrangan’izany, tao amin’ny tanànan’Andranomilitsy, fokontany Soalengo, distrikan’Imanja. Raha ny vaovao azo dia jiolahy enin-dahy teo no tonga nanafika tao amin’ity tanàna ity. Nandroba ireo entana rehetra tao, saingy tsy vitan’izay fa mbola nitondra an-keriny lehilahy iray, tao an-tanàna, nataon’izy ireo takalonaina. Vantany vao nahazo vaovao ny pôlisy avy tao amin’ny kaomisaria, izay notarihan’ny lehiben’izy ireo, tao an-toerana dia nidina ifotony, ary nanara-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambatovaky, izay voalaza fa zohy fieren’ireo olon-dratsy no nifakahatratra ny roa tonta, adin’ny roa taty aoriana. Raikitra teo ny fifampitifirana. Tsy nisalasala nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelantanany mantsy ireo olon-dratsy, raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Vokany, nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voan’ny bala saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Iray tamin’ireo fokonolona nanara-dia ihany koa niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy ary naratra mafy. Navotsotr’ireo olon-dratsy avy hatrany ilay olona nalain’izy ireo an-keriny ary avotra soa aman-tsara. Ilay olona iray naratra kosa, efa nentina nihazo ny tobim-pahasalamana tao an-toerana ihany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, raha ny fampitam-baovao azo. Tetsy andanin’izay moa dia voalaza fa azo teny am-pelatanan’ireo jiolahy avokoa ireo entana rehetra nalain’izy ireo. Nandritry ny fifandonana no nahitàna finday iray, izay fantatra, raha ny vaovao azo hatrany fa fampiasan’ireo olon-dratsy ka dia nogiazana avy hatrany sy entina hanohizana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanarahana ireo olon-dratsy any an-toerana, nandritry ny omaly tontolo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici