- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy, maty voatsindrona antsy teo amin'ny tendany

Antsirabe : Vehivavy, maty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany

Nitrangana vono olona mahatsiravina indray teto Antsirabe ny harivan’ny talata 26 oktobra lasa teo. Mbola azo sokajiana ho ankizy ity nisy namono  ity satria manodidina ny 16 taona eo ny salan-taonany.

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy,  tsatok’antsy teo amin’ny tendany ary saika nipoitra avy aty amin’ny ilany mihitsy no nahafaty azy.

Fantatra fa mipetraka ao amin’ny trano an’ny pasitera iray amin’ny fiangonana zandriny ity ankizy ity. Tsy tao an-tranony ny Pastera sy ny fianakaviany io talata antoandro io fa tany Antananarivo raha ny angom-baovao voaray. Mpino sendra nandalo hitady an’ny Pastera tao an-tranony no gaga  nahita ilay vehivavy kely mivalampatra mihosin-dra. Niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany moa ireto mpino ireto. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny BMH no nahafantarana fa mbola nitsatoka teo amin’ny tendan’ilay zaza ny antsy namonoana azy.

Ny nahagaga dia tsy nikorontana ny trano ary tsy nisy ihany koa ny fandrobana lehibe fa  môtô iray no nalain’ilay nahavanon-doza.

Tsy nisy ihany koa ny herisetra ara-nofo nihatra tamin’ity ankizy ity fa dia vono olona sy fangalarana ny môtô no zava-nitranga.

Efa an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa misokatra ny fanadihadiana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici