- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamakiana banky : Nadoboka am-ponja ny tale sy ny olona 10 hafa

Famakiana banky : Nadoboka am-ponja ny tale sy ny olona 10 hafa

Iraika ambin’ny folo no totalin’ireo olona voarohirohy, tamin’ilay resaka famakiana banky, nitranga tao Ilakaka ny tapa-bolana lasa izay. Anisan’ireto olona ireto ny mpiasa sasantsany tao hatrany amin’ny tale, mpitantana izany banky izany. Fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany izy ireo. Ny folo teny Tsiafahy, ary ny roa, vehivavy, etsy Antanimora.

Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, izay nisahana ny fanadihadiana mahakasika ity vaky banky nitranga ny 11 oktobra tany Ilakaka ity, dia nambaran’izy ireo fa efa voamana tanteraka ny tetik’adin’ireo olon-dratsy. Nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo mpiasa tao anatiny, izay niainga hatrany amin’ny mpitantana izany, niampy olona tety ivelany.  « Efa voaomana ny famakiana ilay banky ary efa nivory matetika tao amina hotely iray tao Ilakaka ireto lohandohan’ireo olon-dratsy olon-dratsy izay nahitana an’ny Talen’ny banky, ny sipany ary ilay tompona hotely » hoy hatrany ny vaovao. Nony tonga ny fotoana hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, dia efa saika nipetrapetraka avokoa ny zava-drehetra. « Tao anatin’ny famotorana no nahalalana fa fihetsika miaro fitaka no nataon’izy ireo ary saika mpiray tsikombakomba avokoa ireto farany ». Tamin’io andro io dia efa nampidirin’ilay Tale ao aminy ireo telolahy, voalaza fa hanao ny fanafihana. « Niantso ilay mpiara-miasa aminy ( tale lefitra) hamoha ilay « coffre » . Mody nofatorana niaraka tamin’ny mpiambina avokoa izy ireo aveo ary ilay Talen’ny banky mody noentina natao takalon’aina niaraka tamin’ireo olon-dratsy ». Marihana fa vola mitentina teo amin’ny 925 tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireto olon-dratsy ireto taorian’ity fandrobana ity. Soa ihany, raha vao nahazo antso fotsiny ireo mpitandro filaminana dia niroso avy hatrany tamin’ny fanaovana fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy lasa lavitra fa ny alin’io ihany dia nisy môtô iray, fiara tsy mataho-dalana roa, nosakanana ary nahitàna fitaovam-piadiana sy volabe, izay avy hatrany dia notanana sy nogiazana avy hatrany. Rehefa nandeha ny famotorana ireo olona voasambotra tamin’io fotoana io dia izao nipaka tamin’ny famahana ny raharaha izao ary niafara tamin’ny fisamborana ireo olona ati-doha tao ambadik’izany afera maloto izany. Nentina niakatra taty an-drenivohitra avokoa moa ireto olona voarohirohy ireto, hanohizana ny famotorana sy ny fanadihadiana azy ireo. Natolotra ny Fampanaovana ny talata lasa teo izy ireo, ary dia izao nadoboka am-ponja vonjimaika izao, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici