Tovolahy iray tra-tehaka teo am-panendahana findain’olona teny amin’iny faritra 67ha iny no nanondro tao anatin’ny famotorana azy fa izany « Masika » izany no mpandray ireo entana halatra rehetra azony. Mipetraka eny amin’iny faritra Antohomadinika eny ity farany, saingy rehefa nidinan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana dia tsy hita tao intsony ity lehilahy ity.
Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia niainga tamin’ny fisamborana tovolahy iray, efa gadralava izany fikarohana olona mpandray entana halatra izany. Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia vehivavy iray, tao anaty taxi-be no lasibatry ny mpanendaka teo 67ha Avaratra Atsinanana. Lasa tamin’izany ny finday lafo. Nifanenjehan’ilay lasibatra, izay voatery nidina ny fiara mihitsy, nampian’ny mpiambina parking iray tsy lavitra teo an-toerana ilay tontakely saingy tsy azo. Tadidin’ity farany anefa ny endrik’ilay tovolahy ary natao ny velam-pandrika. Voasambotra soa aman-tsara, ny ampitson’ny nanaovan’ny asa ratsiny ity tovolahy ity. « Mpamerin-keloka ity tovolahy ity ary efa nigadra tetsy amin’ny fonjan’Antanimora ny tamin’ny taona 2009. Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona no nidirany am-ponja tamin’izany. Nolazainy ihany koa fa toerana fanaovany ny asa ratsiny eo amin’ny Parking 67Ha ary maro ny entana efa azony tamin’izany. Fantatra fa namidiny 240.000ar tamina lehilahy iray antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Masiaka mipetraka ao Antohomadinika io finday io » hoy ny fanazavana azo. Mbola eo an-dalam-pikarohana an’i Masika moa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ilay tovolahy mpanendaka kosa, dia efa natolotra ny fampanoavana ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika indray miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L