
Feo tokana izay niely dia raikitra ny sakoroka. Nisy fiara tsy mataho-dàlana izay nampiditra ankizy tao anatiny. Io no nanaitra ny manodidina izay nieritreritra avy hatrany fa mpangala-jaza ny tao anatin’ilay 4×4. Niantso vonjy rahateo ireo ankizy izay tao anatiny ary vao mainka nanamafy ny ahiahin’ny olona izany. Nosakanan’ny olona izay vory marobe tao anatin’ny fotoana fohy ilay fiara. Tsy vitan’izay fa novakian’izy ireo ny kodiarana mba tsy ho afaka hihetsika intsony. Vetivety dia tonga ny zandary raha nandre ny zava-nisy. Nalefan’ny mpitandro ny filaminana ilay fiara ary vao mainka niteraka ny hatezerana teo an-toerana izany. Voatery nampiasaina baomba mandatsa-dranomaso ireo olona mba nanaparitahana azy. Niitatra hatrany Ambohimahitsy ny sakoroka ary ireo fiara izay avy any amin’ny lalam-baovao Rocade dia nosakanan’ireo olona koa. Nisy barazy napetrak’ireo farany mihitsy. Raha araka ny fanazavana avy amin’ny zandary dia nisy mpangalatra izay tratra tao amin’ny toerana antsoina hoe « Le Bon Samaritain ». Ankizy ireo mpangalatra ary nampidirin’ny nahavoasambotra azy ireo tao anaty fiara. Teo indrindra no azo heverina fa nivadika ny resaka hoe mpangala-jaza ilay olona nitondra ny fiara 4×4. Nisy ankizy hatrany amin’ny fitoeran’entana rahateo hany ka mainka nampitombo ny ahiahy izany. Ny feo rahateo vetivety dia niely ary haingana dia vory ny vahoaka. Tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola miezaka ny mandresy lahatra ny olona na dia tao anaty sakoroka aza ny mpitandro ny filaminana.
D.R