- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA - Mahanoro : Maty ilay ankizy 12 taona voaolana mpandraharaha

ATSINANANA – Mahanoro : Maty ilay ankizy 12 taona voaolana mpandraharaha

Tranga nampalahelo no nitranga tao Mahanoro tao noho ny fanolanan’ity mpandraharaha mpanangom-bokatra an’ilay ankizivavikely 12 taona izay maty raha vao tonga teto Toamasina, tao amin’ny hopitaly be. Tena rovitra tanteraka mantsy ny fivaviany noho io fanolanana azy io, ary izany dia niteraka fahaverezan-drà be loatra taminy ka nitarika ny fahafatesany.

Raha ny vaovao voaray dia notambatambazan’ilay mpandraharaha ity ankizivavy 12 taona ity, ka nanaovany ny filany tamin’ny firaisana ara-nofo. Vao vita ny nataony tamin’ilay ankizivavy anefa dia efa nisy ny fandehanan’ny rà noho ny fivaviany rovitra tanteraka nandritra izany. Nisy ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly Mahanoro, avy eo tao Vatomandry, saingy ireo mpitsabo dia nandefa azy teto Toamasina mihitsy noho ny hamafin’ny fahasimban’ilay ankizy voaolana. Vokatr’izany dia nafindra eto Toamasina ny raharaha mikasika ity fanolanana nitranga ity amin’izao, ny antony hoy ny kaomisera ao Mahanoro dia teto Toamasina no maty ilay ankizy voaolana. Eo koa ny fanelanelanana be loatra ataon’ilay mpandraharaha mpanolana sy ny fianakaviany izay ben’ny Tanàna iray ao Ambanivohitry Mahanoro. Raha ny lalàna anefa dia tsy misy fanelanelanana azo atao amin’ny fanolanana ankizy latsaky ny 15 taona, satria heloka be vava avy hatrany izany araka io lalàna io, amin’izay indray maty ilay voaolana taorian’izay ka lasa vao maika miha-mafy ny raharaha noho izy lasa vono olona indray. Tsy mandefitra amin’ny raharaha fanolanana ankizy latsaky ny 15 taona tahaka izao ny fitsaràna ka mety hiditra am-ponja ilay mpandraharaha.

Miezaka mafy mandamina ny fianakavin’ilay zaza 12 taona voaolana maty ilay mpandraharaha mpanolana sy ny rahalahiny ben’ny Tanàna ao ambanivohitry Mahanoro ao amin’izao. Ho sarotra anefa ny raharaha amin’izany satria tsy manaiky lembenana amin’ny fampiasam-bolany sy fandrahonana ataony koa ireo fianakaviana manana ny maty. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha mikasika ity ankizy 12 taona voaolana ka maty tao Mahanoro ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici