- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra lavanilina teto Toamasina : Nidoboka am-ponja ilay filoham-pokontany sy ireo namany...

Halatra lavanilina teto Toamasina : Nidoboka am-ponja ilay filoham-pokontany sy ireo namany enina

Ora maro, satria nanomboka maraina mandra-paharivan’ny andro, ny fanadihadiana ny raharaha halatra lavanilina teto Toamasina. Nanomboka teny amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny fanadihadiana azy valo lahy, ary nifarana teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana, ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 7 ora sy sasany. Toerana telo samy hafa no nitrangan’izany halatra lavanilina izany izay nahatratra 2.000kgs. Nisy ny nitranga tao Antetezantona sy Cité Haras ary ny tao Ambolomadinika, izay an’ny mpandraharaha iray avy ao Fenerivo Atsinanana. Vokatr’izay fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina izay dia olona iray ihany, izay vadin’ilay filoham-pokontany, no noafahan’ny fitsarana, fa ireo ambiny miisa fito kosa dia nahiditry ny fitsarana am-ponja vonjimaika avokoa. Isan’io ilay sefom-pokontany iray avy eto Toamasina renivohitra. Raha ny angom-baovao dia saika olona nomen’ilay mpandraharaha fitokisana avokoa ireto naiditra am-ponja vonjimaika ireto. Ny iray tamin’izy ireo ihany no nanome ny tsiambaratelo mikasika izao raharaha izao ka nahasamborana azy valo mianadahy taty aoriana. “Ny taona 2020 no nitranga ny halatra tao Antetezantona sy Cité Haras ary tao Ambolomadinika. Rehefa very ireo lavanilina dia tsy niteny na inona na inona ireo mpiambina sy ireo namany akaiky”, izay no nambaran’ilay tompon’ny lavanalina very. Nandritra izay anefa dia nisy olona iray tamin’ireo olona isan’ny nangalatra ilay lavanilina nanana olana ka nitady vahaolana sy fanavotana tany amin’ilay tompon’ny lavanilina, ka nilazan’ity farany fa “raha ambaranao ahy ny zava-nitranga tamin’ny fahaverezan’ny lavaniliko dia havotako ianao”. Teo no nivoaka avokoa ny marina ka isan’ny nolazaina fa namany tamin’izany ilay filoham-pokontany ka nahavoasaringotra azy ity. Taty aoriana anefa dia notorian’ny tompon-davanilina ireto voalaza anarana rehetra ary efa miandry fitsarana am-ponja vonjimaika avokoa izy rehetra, fito mirahalahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici