- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vato Amazonite roa taonina tsisy taratasy saron'ny zandary

Antsirabe : Vato Amazonite roa taonina tsisy taratasy saron’ny zandary

Tao Mahandraza nandritra ny fisavana teo amin’ny sakana na « barage routière » no nahatratran’ny zandary ny fiara fourgon iray nitondra vato Amazonite milanja 2 taonina teo ho eo ny alin’ny 27 Oktobra lasa teo. Tsy misy taratasy ireto vato ireto fa dia nezahina nafenina tao ambany harina fandrehitra sy kitay. Niala tao Ambatofinandrahana saika haondrana ao Antananarivo ny vato izao sarona izao. Roa lahy no nitondra ny fiara, ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tsy azo ihodivirina fa tsy maintsy mandalo ny lalam-pirenena fahafito eto Antsirabe avokoa ireo mpitrandraka harena voajanarahy, na andranomasina  izany na an-tanety amin’ny tapany atsimo iny, misy ny manara- dalana fa maro koa ireo mpitrandragaka an-tsokosoko sy mikasa hanondrana izany ao Antananarivo satria ao no misy ireo « patron » mahasahy mividy lafo.Matetika tsy afa-bela eto Antsirabe ireo mpibizina, tsy manara-dalàna fa saron’ny zandary avy amin’ny BPR manao fisavana ao Vinaninkarena. Ankoatra izay misy ihany koa loharanom-baovao avy any amin’ireny toerana nihavian’ny harena ireny, mety ho tsy fifankahazoan’ny mpanao afera izy io, mety tsy fifanarahana ihany koa ka misy ny manontsana any amin’ny mpitandro filaminana ka mitaraika ny fahatratrarana azy ireny. Maro izay efa sarona izay saingy tsy kely lalàna ny ratsy mahita hirika hatrany, atreto aloha dia ireo irakiraka, mpitondra ny entana hatrany no voasambotra fa ny atidoha mpikotrika tsy misy voasambotra ary mijanona eo ny fanadihadiana dia tahaka izay hatrany.

Tsy ny harem-pirenena no tsy azo trandrahana  fa misy lalàna mifehy izy ireny ary misy ny voararan’ny lalàna ny fitandrahana azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici