14 Novambra 2021 : hotanterahina eny an-toerana , toy ny fanao isan-taona, ny Alahadin’ny Taranaka sy Fianakaviana. Fanompoam-pivavahana fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra indroa miantoana no hatao ary anasana ny rehetra: amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora. Samy hofaranana amin’ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo ireo. Hanamarika io fotoana io ny fanateran’ny isan-taranaka sy fianakaviana ny Rakidehibe eny amin’ny alitara, arahin’ny fiaraha-maka sary fahatsiarovana amin’ny Mpitandrina Randrenja Tsiry mivady, ao amin’ny FJKM Mandrosoa Ilafy, hataon’ny Taranaka sy Fianakaviana tsirairay eny amin’ny alitara ihany. Amin’ny fitohizan’ny asa famitana ny Tranovadim-piangonana, anaovana ezaka taila (carreaux) amin’ny efitrano filanonana ambany rihana, dia hiara-mientana ny Fiangonana sy ireo Sampana velona eo anivony. Hanana ny ho fandraisany anjara mivantana ihany koa ny isan-taranaka, amin’ny alalan’ny rakitra isam-batan’olona, izay harotsaka manontolo ho dian-tanan’izy ireo amin’izany asa lehibe izany. Na eo aza ny fahasahirana amin’ny lafiny maro, araka ny hita sy iarahan’ny rehetra miatrika, dia tsy avelan’ny Tompo hiraviravy tanana ny olony efa nanolo-tena ho Azy, fa ankahereziny mandrakariva hahavita zava-mahagaga avy amin’ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay. Fa hoy indrindra ny Soratra Masina: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony.” (Lio. 6: 45a).
T.M.