- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : Mpitandro ny filaminana nosamborina

RN3 : Mpitandro ny filaminana nosamborina

Tao anaty fiara lehibe mpitatitra entana no nosamborina ity mpitandro ny filaminana ity. Izany dia nandritra ny fisafoana tampoka nataon’ny zandary tamin’ny fiara iray. Olona maromaro no tao aorian’ilay kamiao ary isan’izany ilay mpitandro ny filaminana nanao fanamiana. Olona folo izy ireo no tao anatin’io kamiao io ary nanaitra ny sain’ny zandary izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany izany. Nivoaka tamin’ny fihainoana ireo olona fa nikasa ny hangalatra vy tao amin’ny orinasa iray eo amin’ny manodidina izy ireo. Nitohy hatrany ny fanamarinana nataon’ny mpanao fanadihadiana ary fantatra teo fa isan’ny mpiray tendro ao anatin’ity tambajotra mpangalatra vy ity ny mpiambina ilay orinasa. Nofandrihana ireo saingy tafaporitsaka. Olon-kafa izay namany no sarona teo an-toerana tokony hangalàna ny vy. Olona 13 isa no efa eo am-pelatanan’ny zandary momba ity raharaha ity. Ny tena anjara asan’ilay mpitandro ny filaminana ao anatiny dia ny fanamoràna ny fitaterana ireo vy miakatra aty an-drenivohitra. Tsy mbola tena voamarina fa kosa raha ny tranga matetika hita dia eny Isotry no fanaterana izany, eny izany no mpandray ireo entana halatra. Isan’ny nohenoina nandritra ny fanadihadiana ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny orinasa ary nanamarina io farany fa tsy misy velively baiko tokony namoahana entana (vy) teo anivon’ny orinasa. Mbola nanamarina ny fisian’ny halatra izany fanazavana izany. Misy ary tena misy eto an-drenivohitra ny halatra vy ka ny tena mampalahelo dia ireny fotodrafitrasa iombonana ireny matetika no tena lasibatra. Isan’ny tsikaritry ny maro izany eny amin’ireny lalam-baovao vao notokanana vao haingana ireny. Ny mpividy amin’ny atsinjarany indray dia saika isaky ny kihon-dàlana ankehitriny dia misy izany. Mividy ny vy amin’ny kilao. Ho tapitra ringana ireo vy eny rehetra eny raha tsy misy ny fepetra raisina, manoloana ny mpangalatra sy ny mpividy izany. Matoa mantsy efa hatrany anaty orinasa no misy mahasahy mandroba koa ny vy dia azo lazaina fa tena bizina miroborobo izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici