- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Tratra teo ampitsaboana tena ilay dahalo raindahiny

Antsalova : Tratra teo ampitsaboana tena ilay dahalo raindahiny

Notafihan’ny dahalo nirongo fiadiana tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ankiliabo Saririaka, Kaominina ambanivohitra Antsalova, ny alakamisy lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby vitsivitsy tao an-tanana. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona tao aorian’ny fanafihana. Fantatry ny olona anefa ny sasany tamin’ireo dahalo nanafika, ka nezahin’ny tompon’omby sy ny fokonolona nokarohina avy hatrany. Nandritra ny fanenjehana ireo dahalo, nisy iray tamin’ireo mpanafika no voatoraky ny mpanara-dia lefona, tao an-damosina, ka vaky nandositra. Voalazan’ny olona tany an-toerana fa nitsoaka tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankilimahasoa, ity dahalo voatoraka lefona ity. Nisy nahafantatra izy io sy ny namany sasany tamin’ireo dahalo nanafika. Isan’ireo nanafika tamin’izany raha ny fanavazan’ny fokonolona i Tavandray sy Papisy, miaraka amin’ireo namany nirongo basy, izay voamarin’ny mpanara-dia. Fantatra fa io Papisy io dia manana fianakaviana ao Andolobe, fokontany Antsalovabe, kaominina ambanivohitra Antsalova, izay malaza fa mpiaro azy ireo. Io olona io, izay voalaza fa tena dahalo mampihorohoro efa hatry ny ela. Saingy, izao vao misy fokonolona mahasahy mijoro mitory ny fianakavian’io olona io, izay voatafika sy lasibatra. Raha ny fantatra, dia efa tsy any an-toerana io olona voalaza io, ka izao mahatonga ireo lasibatra mahasahy mitory ny fianakaviany. Raha ny fitarainan’ireo olona any an-toerana, dia ; «tsy azo atao na inona na inona mihitsy ireo olona ireo, satria mahasahy manafatra dahalo avy any atsinanana mihitsy izy ireo, hanafika eo an-tanàna. » Raha ny fampitam-baovao hatrany avy any an-toerana, ilay lehilahy voatoraka lefona, tratra nitsabo tena tao amina hopitaly tao Antsalova, ka voasambotra avy hatrany izay efa eo am-pelatanan’ny zandary ankehitriny. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity. Nandalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antsalova ny tatitra nataon’ny fokonolona momba ity fanafihan-dahalo sy halatr’omby ity, ary eo am-pelatan’ny manampahefana.

Yv Sam

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici