- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Jiolahy tsy ampy taona, nikoizana tamin’ny fanafihana mitam-basy

67ha : Jiolahy tsy ampy taona, nikoizana tamin’ny fanafihana mitam-basy

Tovolahy roa, izay mbola tsy ampy taona akory ny iray no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, etsy 67ha, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nikoizana tamin’ny resaka asa ratsy eny an-toerana izy ireo.

Mazàna tokoa dia tsy endrika vaovao ho an’ireo mpitandro filaminana intsony ireo olon-dratsy, tontakely sy jiolahy eny amin’ireo faritra hiadidian’izy ireo. Nisy fotoana, ary mbola misy hatramin’izao aza, nirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana, vaky trano,  fanendahana, halatra môtô tsy maraina tsy antoandro teny amin’iny faritra 67ha, Ankasina sy Andohatapenaka iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo pôlisy misahana izany faritra izany, tamin’ny fanaovana fisafoana, fisorohana mialoha izay mety ho tranga nisy ary tamin’ny fikarohana izay mety ho olon-dratsy tomponantoka tamin’io. Taorian’ny fanadihadiana, hoy ny fampitam-baovao azo, dia efa fantatra sy tsy niafina intsony tamin’ireo mpanatanteraka izany ireo jiolahy, niaraka tamin’ny toerana fanafenana ny entana halatra. Nosamborina avy hatrany teny amin’iny faritra Avaradozoka Andohatapenaka II ny iray tamin’izy ireo, izay toa mbola ankizilahy kely vao 16 taona monja, kanefa efa nikoizana sy tomponantoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana, miaraka amin’ny basy sy sabatra, sy ireo fanendahana isan-karazany. Ny famotorana natao tamin’ity farany indray avy eo no nahafantarana ny namany iray, 21 taona, izay noraisim-potsiny ihany koa teny Ankasina. Notanana natao andrimaso tamin’ireo fotoana io ihany moa ireto farany, ho amin’ny famotorana, ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Heverina fa tsy hijanona hatreo ny famotorana fa mbola hitohy, hikarohana ireo olon-dratsy hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici