- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Jiolahy rain-dahiny, maty voatifitry ny pôlisy

Tsiroanomandidy : Jiolahy rain-dahiny, maty voatifitry ny pôlisy

Omaly, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo pôlisy sy ireo andian-jiolahy mahery vaika, tsy lavitra ny faritra Tsarahonenana, ao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy. Vokany, lavo ny jiolahy iray, izay fantatra fa efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka kosa ireo namany. Mitohy ny fikarohana.

Efa telo tamin’ireto olon-dratsy ireto no lavo, tao anaty fifandonana, tao anatin’ny iray volana latsaka izay. Raha tsiahivina ny zava-nisy, avy nanao fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny distrikan’i Belo Tsiribihina iny ireo andian’olon-dratsy ireto, ary anisan’ny toerana fandalovany sy fanaovan’izy ireo fivoriana ao Bongolava. Ny 16 oktobra lasa teo no tonga teny am-pototsofin’ny pôlisy ny toerana iray fivorianan’izy ireo, ao andrefan’ny Tsenan’omby. Nidina avy hatrany tany ireo pôlisy ary raikitra ny fifandonana. Tsy nisalasala nampiasa ny basy vita gasy tany aminy mantsy ireto olon-dratsy. Tsy nahaleo tosika ireo mpitandro filaminana anefa izy ireo, ka nisy roa maty voatifitra. Nisy ny tafatsoaka ary nisy ireo voasambotra. Efa natolotra ny Fampanoavana taorian’ny fanadihadiana ireto farany. Mbola nitohy ihany anefa ny famotorana araka ny baiko nomen’ny Fitsaràna. Ny 7 novambra lasa teo, fantatr’ireo mpanao famotorana indray fa misy naman’ireto olon-dratsy voatifitra tonga tao an-tampon-tanan’i Tsiroanomandidy. Rehefa natao ny fikarohana sy ny tsongo dia isan-karazany dia fantatra fa mivory tsy lavitra ny Abattoir izy ireo, ary any amin’ny faritra Tsarahonenana no mivantana. Omaly maraina no nanaovan’ireo pôlisy be midina tany an-toerana ireto farany rehefa napetraka ny paik’ady rehetra. Toy ny nitranga tamin’ny iray volana ihany anefa, raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ireto olon-dratsy, avy hatrany dia nitifitra ihany koa. Raikitra indray ny poa-basy tao an-tanana. Mbola tsara  ofana manoloana ny zava-nisy anefa ireo mpitandro filaminana ka ny iray tamin’ireo jiolahy indray no lavo nandritra izany. Vehivavy iray sy olona iray ihany koa fantatra fa voasambotra. Ireto farany, izay voarohirohy tamin’ny fampiantranona sy fanafenana ity olon-dratsy ity. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ireto farany ary fantatra fa atolotra ny Fampanoavana anio. Mbola misy olon-kafa karohina, naman’ireto mpanao fanafihana ireto, raha ny fanazavana azo.

Anisan’ny tanjona manokana sy laharam-pahemahan’ny faritra ny fametrahana ny fandriam-pahalemana any amin’iny faritra Bongolava iny. Miara-miasa akaiky amin’izany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Anisan’ny vokatra lehibe tokoa izao azon’ny pôlisy avy eo anivon’ny fitaleavam-paritra Bongolava izao, tamin’ny fandravana ireto andian-jiolahy mahery vaika, efa nampikaikaika ny mponina tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici