Lozam-pifamoivoizana tsy dia misy matetika indray no nitranga tamin’iny vahilavan’Ampitatafika iny ny alakamisy hariva lasa teo. Fiara mpitondra marary iray no nifandona tamin’ny môtô ary namoizana ain’olona iray. Nampivarahontsana ! Potika tsy nisy noraisina ilay môtô, tapatapaka ilay lehilahy nitondra azy, maty tsy tra-drano. Nahery vaika tokoa ny fifandonana nisy teo amin’ity fiara tsy mataho-dalana iray sy kodiaran-droa iray, mbola tamin’iny vahilavan’Ampitatafika iny indray. Fiara mpitondra marary izy ity, ary nisy marary natao « evacuation sanitaire » avy any Arivonimamo alefa ny Ilafy mihitsy tao anatiny. Ilay kodiaran-droa kosa, avy eo Ampitatafika handeha hody ho any Fenoarivo. Raha ny fahitàna ny loza nitranga, hoy ireo mpanao fanadihadiana dia samy nandeha mafy izy ireo. Mazava ho azy, ilay fiara mpitondra marary maika hamonjy ny marary nentiny. Ilay kodiaran-droa ihany koa, nahita ny lalana malalaka sy mahitsy, moa ny andro rahateo efa madiva ho alina, dia azo heverina fa tsy maintsy nanamafy ny hafainganam-pandehany. Araka ny fitantaran’ireo olona sasantsany nahita ny zava-nitranga dia toa hoe niezaka nisongona fiara iray teo alohany ilay môtô, no nifanehatra tampoka tamin’ilay fiara mpitondra marary, nirimorimo ihany koa. Vokany : loza mahatsiravina ! Aina iray indray no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso … Raha ny voalaza dia tsy nisy naninona ireo tao anatin’ilay fiara, eny fa na ilay narary aza. Ity farany moa, izay nafindra haingana tamin’ny fiara mpitondra marary hafa. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nandamina ny zava-misy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana. « Amin’ny toe-javatra tahak’izao dia manao ny fanadihadiana sy ny famotorana no anjaranay fa an’ny Fitsaràna ny ambiny » hoy ireo fanazavana azo, manoloana ireo resa-be nandeha, mahakasika ny hoe an’iza ny fahadisoana. « Satria nisy ny aina nafoy dia sokajiana ho vono olona tsy natao fanahy iniana ny zava-niseho. Tsy maintsy nitondra ilay mpamilin’ilay fiara mpitondra marary hofotorana izahay, ary hanolotra azy eny anivon’ny Fampanoavana ». Fantatra fa notanana natao andrimaso eo anivon’ny zandary eo Ampitatafika moa ity farany.
m.L