Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny zoma teo. Tovolahy iray 17 taona, mpianatra kilasy faharoa ao amin’ny lisea Antsaramidola no maty teo am-panaovana adina ara-panatanjahantena an-tsekoly (EPS). Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nandritra ny hazakazaka nataony mba nakana naoty ity tovolahy namoy ny ainy ity no nitambositra tampoka. Rehefa novelomina izy dia efa tsy nisy aina intsony. Mety ho vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka no nahafaty an’ity tovolahy ity. Raha ny fanamarihana azo, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana dia tsy nisy fizaham-pahasalamana talohan’ny nanaovana io adina ara-panatanjahantena io.
Eric Manitrisa