- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpamarinana : Faty efa simba hita tao ambanin’ilay soratra « Antananarivo »...

Ampamarinana : Faty efa simba hita tao ambanin’ilay soratra « Antananarivo »

Ny fofona no nanintona ny olona hijery ifotony tao (sary tahiry)
Ny fofona no nanintona ny olona hijery ifotony tao (sary tahiry)

Fofona sy lalitra no nanaitra ny olona, ka nahatonga azy ireo hidina teo amin’ny toerana iray teo Ampamarinana. Teo ambanin’ilay soratra « Antananarivo » mihitsy no nahitana an’izany omaly maraina. Nitangorona ny olona ary samy liana ny hijery. Tsiravina izay nahita no sady nanontany tena. Efa ny alin’ny asabotsy no nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa tao, saingy tsy sahy ny nijery ifotony. Mbola noheverina fa biby no maty tao hatreo. Ny maraina vao nisy nahatsikaritra fa olona efa simba no tao. Tsy nisy maso ilany, toa ireny nopotserina ireny, raha araka ny fahitan’ny olona azy. Efa mibontsina ny vatany ary efa nivoaka fofona ratsy. Tonga teny an-toerana ny tomponandraikitra, nanao fizahana ary nibata ny razana. Novonoina tao ve izy sa maty hoazy tao, sa kosa noho ny antony hafa ? Hatreto aloha, ny tsy fisian’ny masony iray dia mahatonga ny olona hieritreritra fa nisy fidarohana izay mety ho nitarika ny fahafatesany. Tsy vao izay no nisy faty hita teo amin’ny manodidina teo. Isan’ny tadidin’ny olona ihany koa, roa taona lasa izay, ny fahitàna vehivavy iray efa tsy nisy aina intsony, teo akaiky teo koa. Ny biby, toa ny akoho, izay nivezivezy niaka-nidina tao no nanintona ny sain’ny olona hijery ny zava-nitranga. Teo vao hita fa razana efa simba no niafina tao. Io indray dia noheverina fa novonoin’ny olona dia nafenina tao rehefa avy eo. Mangingina ary tsy dia misy mpandalo firy eny amin’ilay toerana, satria hantsana be kanefa lalana faran’izay kely no miasa. Dikan’izany, tsy misy mpanakotaba ireo olona izay tsy manan-kialofana rehefa eny. Torak’izany ihany koa, mora ho an’ireo mpanao ratsy ny manary razana eny. Izany rehetra izany dia midika fa ilaina ny fitsirihana matetika ny eo amin’ny manodidina, mba tsy ho lasa toa ireny toerana sasantsaany eto an-drenivohitra izay hiafaran’ny heloka bevava ireny Ampamarinana, nefa toerana manan-danja eo amin’ny tantara. Indrindra koa eo akaikin’ilay soratra lehibe « Antananarivo » hatrany no nahitana ireo faty.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser