- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana eny 67ha : Lasibatra indray ireo mpiasa mandeha maraina

Fanendahana eny 67ha : Lasibatra indray ireo mpiasa mandeha maraina

Amin’ny efatra ora maraina, teo amin’ny « lalamaty », 67ha. Andian’olona  maromaro hafahafa fihetsika no efa miandry mijorojoro, tsy fantatra na hanao inona na hanao inona. Raha ny voalaza dia « miandry » ireo mpiasa miala maraina, tsy maintsy handalo amin’izany toerana izany ireo. Andrasana hoendahina ! Raha ny fantatra dia efa maromaro ihany no efa nitondra takaitra tamin’ireto mpanendaka ireto. Ny faran’ny herinandro lasa teo,  voasambotra aloha ny roa tamin’ireto andia-mpanendaka ireto, saingy tafaporitsaka kosa ny ambiny. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisy dia nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo no nahatsikaritra ireto farany izy ireo. Vaky nandositra avy hatrany anefa iretsy andian’olona raha vao nahita ireto mpitandro filaminana. Raikitra teo ny fifanenjehana, ka ireo tsy afa-nankaiza ireo ny anankiroa. Tafaporitsaka kosa ny ambiny, hoy hatrany ny vaovao saingy heverina fa tsy ho ela dia ho voasambotra ihany. Zava-maranitra isan-karazany, toy ny antsy lavalela no fampiasan’ireto andia-mpanendaka ireto, entiny manao ny asa ratsiny. Marihina fa rehefa tsy mahazo amin’izany lalana izany izy ireo dia mifindra indray ary efa saika henika azy ireo raha iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Fa ankoatra izay dia mpanao sinto-mahery roa lahy ihany koa no voasambotra teny amin’iny faritra iny, ny faran’ny herinandro lasa teo  ihany. Teo am-pandosirana no nifanehatra tamin’ny pôlisy ny iray ka noraisim-potsiny. Ny iray kosa nosamborin’ny fokonolona. Efa samy natolotra ny Fampanoavana avokoa moa ireto mpanendaka ireto ary nadoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici