Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny lalao firaisankina, nokarakarain’ny kaominina ambanivohitr’i Soanierana, distrika Tsiroanomandidy, teo ambany fiahian’ny Faritra Bongolava. Lalao baolina kitra, natao am-pirahalahiana moa izany, izay nifanandrinan’ireo tanora avy ao amin’ny kaominina Firavahana sy tanora avy ao Soanierana, mialohan’ny lalao famaranana. Nibata ny amboara tamin’izany, ny omby lehibe, ny ekipa Fc Fami avy ao Analamarina.
Isan’ny tafiditra tanteraka amin’ireo Veliranon’ny Filoham-pirenena izay miompana amin’ny fanohanana ny Tanora sy ny fanatanjahantena, fa indrindra ho famerenana ny soatoavina maha Malagasy izay mifototra amin’ny firaisankina moa izao lalao izao. Anisan’ny andraikitra nankinina tamin’ny faritra tsirairay tokoa ny fanatontosana ny vinan’ny Filoham-pirenana amin’ny alalan’ireo Velirano nataony. Ho an’iny faritra Bongolava iny, izay eo ambany fitarihan’Atoa Jly Ramiaramanana Joseph dia azo lazaina fa tanteraka amin’ny antsakany sy andavany izany, amin’ny lafiny rehetra. « Ny tanjona dia ny hahatanteraka ireo velirano, ka tanterahina ety ifotony izany ankehitriny ho fampandrosoana ny isam-paritra, indrindra ny faritra Bongolava, satria Bongolava mandroso no tanjona » .
m.L