Hatramin’ny nametrahana ny Jàma (Andrimasom-pokonolona) isan-tanàna, dia milamina tanteraka ny Kaominina ambanivohitra Belalanda Distrikan’i Tolira II. « Nihena ny vaky fasana sy halatra taolam-paty, ny halatr’omby, ny fanafihan-dahalo mitam-piadiana, ary fandrobana an-dalambe, raha nalaza ratsy tamin’izany ity Kaominina izay miala 8 km ny tampon-tanànan’i Toliara renivohitra ity teo aloha », hoy ny Ben’ny tanàna Raherisoa Mapaci. Tao anatin’ny roa taona nitantanany ny Kaominina, maro ireo fotodrafitrasa vita, toy ny tsena manara-penitra misy jiro sy rano mahazaka mpivarotra 300 ao amin’ny Fokontany Mangily. Noho ny fisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina, voaloa ara-dalana foana isam-bolana ny karaman’ireo mpiasa, raha tara efa-bolana mahery izany tamin’ny mpitantana teo aloha. « Noho ny fahavitan’ny RN9 tara sy noho ny Kaominina Belalanda lasa renivohitry ny fandriampahalemana aty amin’ny Distrikan’i Toliara II, dia betsaka ireo mpizahantany tonga mitsidika aty noho ny fanananay tora-pasika madio sy lava ary karazam-biby an-dranomasina sy an-tanety maro, toy ny hita ao Ifaty, Mangily, Belitsaka. Vokatry ny fahamaroan’ny mpizahantany tonga izay, miodina ny lafiny toekarena satria manana asa avokoa ny ankamaroan’ny olona. Ny olana aty aminay mampikaikaika ny vahoaka ny fahalafosan’ny vola haloa amin’ny fikarakarana taratasin-tany ara-panjakana, ary ela loatra vao mivoaka ny bokin-tany any amin’ny Topo sy Domaine Toliara, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra mba hamaha izany olana izany faran’izay haingana, fa mijaly ny vahoaka te-hanara-dalàna », hoy ingahy Ben’ny tanàna, namarana ny fanazavany, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, tao amin’ny birao fiasany, omaly.
Eric Manitrisa