- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy nahatratrarana akoho halatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Tovolahy nahatratrarana akoho halatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray manodidina 30 taona voarohirohy ho nangalatra akoholahy tao Andapin’Ifosa, any amin’ny kaominina Anjanoveratra, distrikan’i Sambava, no matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly naraina. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, vao voasambotry ny fokonolona ity tovolahy voatondro ho mpangalatra akoho ity, ny alin’ny alarobia, dia niharan’ny daroka sy vono mandra-maraina, ka naratra mafy nihosin-drà vao navelan’ny olona. Taorian’izay, tsy nahatsiaro tena intsony izy ka naterin’olona tao amin’ny CSB II Anjanoveratra. Niezaka nitsabo an’ity voalaza fa mpangalatra ity ny mpiasan’ny fahasalamana tao, nefa noho ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana ny ainy. Manoloana an’ity fitsaram-bahoaka niafara tamin’ny vono olona ity dia nanokatra fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana any an-toerana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha izay andrasan’ny mpanara-baovao maro ankehitriny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici