- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNampangain’ny « Facebook » : Tambajotra mpangalatra môtô voasambotra, nadoboka eny Tsiafahy

Nampangain’ny « Facebook » : Tambajotra mpangalatra môtô voasambotra, nadoboka eny Tsiafahy

Heverina fa hilamindamina eny amin’iny faritra iny, taorian’izao vokatra azon’ny zandary Ambohimangakely izao.

Nanantena tsy ho tratry ny aloka, hoy ny fitenenana. Ny tambajotra sosialy nentin’izy ireo nangalaràna ireo môtô sy nentin’izy ireo nivarotra izany ihany no nanjary ho harato nanjonoana ireto olon-dratsy. Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ity tambajotra ity ary nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy.

Tsy menatry ny nanafika sy nanendaka ireto mpitondra môtô mihitsy ireto olon-dratsy rehefa nifanao fotoana tamin’izy ireo, tetsy Ambohitrombihavana, Ambohimangakely, ny heriny alahady lasa teo. Araka ny fantratra dia « sera » niainga avy tany anaty « facebook » no niandohan’izany. Rehefa raikitra anefa ny ady varotra dia nasain’ireo mpividy niala teo amin’ny toerana iray izy ireo ary nasaina nivadika tamin’ny toerana iray. Tamin’io fotoana io anefa, dia efa jiolahy efa-dahy niaraka tamin’ny sabatra sy ny basy no niandry ireto telolahy mpivarotra môtô. Lasan’ireto olon-dratsy ireto môtô miisa roa, marika « Kymco VJR » sy « Yamaha RS Zero ».

Ny ampitson’io, ny alatsinainy ihany dia nahatsikaritra olona nivarotra môtô tao anaty tambazotra sosialy Facebook ilay voatafika, izay nitovy tsy nisy valaka tamin’ilay môtô nisy nangalatra saingy kosa efa niova loko sahady. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary napetraka teo ny paik’ady rehetra, entina hanjonoana ireto olon-dratsy. Nifanaovana fotoana io olona nivarotra io, ka tra-tehaka teo tokoa fa ilay môtô very teny Ambohitrombihavana ity môtô namidy ity. Nanao tohivakana teo ny fisamborana ireo namany, izay efa tambazotra misandrahaka tanteraka. Mitotaly sivy ny olona voasaringotra tao anatin’izao halatra môtô izao, raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Marihana fa ireto farany no tompon’antoka tamin’ireo halatra môtô, vaky trano sy fanendahana teny amin’ireo faritra maromaro, toa an’Ankadindramamy, Soamanandrariny, Ambohimahitsy sy ireo manodidina an’Ambohimangakely. Ny zoma lasa teo izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ka ny enina tamin’izy ireo no nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy, ireo hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici