Telopolo minitra fotsiny ny ora-mikija no nilatsaka ny asabotsy teo dia efa dibo-drano tanteraka ny kianjan’ny Barea sy ny manodidina azy. Sahirana araka izany ny mpikarakara hetsika tao an-toerana tamin’io fotoana io. Niakatra hatreny amin’ny ranjo ny rano ary dia « nijoboka » tanteraka ny olona tao anatiny, isan’izany ny mpampiranty isan-karazany ary koa ny mpikarakara sy ny mpitsidika ilay foara. Vetivety dia niely ny sarimihetsika izay naparitaky ny olona. Nahazo vahana koa ny fanehoan-kevitra maro isan-karazany, indrindra fa ny fanakianana. Tsy nampoizin’ny olona mantsy fa fotodrafitrasa vao vita ary vao notokanana tsy ela akory dia efa nandamoka toa izao sahady. Vao mainka aza navaivay ny fanakianana tamin’ny tambajotra sosialy satria nijapy izany koa ireo ny olona maro izay tsy faly amin’ny olana misy eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa sinoa izay tompon’andraikitra tamin’ny fanamboarana ilay fotodrafitrasa. Olana ara-bola izay mampifanolana ny roa tonta. Ny andaniny manamafy fa tsy aloa tanteraka ny ambim-bola raha tsy vita hatramin’ny farany ny asa. Ny ankilany kosa miziriziry fa tokony haloa amin’izay ny vola mba hahafahany mandoa ny karaman’ny mpiasany sy hamitàna izay tokony mbola hatao. Vola an-tapitrisany dolara izany mampifanolana izany ary mbola mihenjan-droa ny tady hatreto. Raha mbola tsy voavaha akory izay olana izay dia efa mitranga koa ity ny olana manaraka. Azo inoana ve fa hiverina hanamboatra ny lalan-drano iray manontolo ny orinasa sinoa kanefa ny olana voalohany aza mbola tsy voavaha ? Mbola ankamantatra avokoa izany rehetra izany. Ny zava-misy aloha dia lasa kianjan’ny orana Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Ny fahavaratra anefa ity vao manomboka…
D.R