- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Dahalo efa-dahy niaraka tamin’ny basy sy ody gasy, azo...

Ampanihy Andrefana : Dahalo efa-dahy niaraka tamin’ny basy sy ody gasy, azo sambom-belona

Nisehoana fanafihan-dahalo narahina herisetra indray tany amin’ ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana ny herinandro lasa iny. Andian-dahalo tanora nirongo basy no nanafika tao an-tanànan’ Antilahy ka voaroba tamin’ izany ny omby miisa 68. Niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona teo an-tanàna nampian’ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana sy fifanenjehana. Dahalo efa-dahy tamin’ireo nanafika no azo sambom-belona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ody gasy ary moara, raha nirifatra nanavotra aina ny malaso ambiny. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia malaza amin’ny fahamaroan’ ny omby  ny distrikan’i Betioky Atsimo. Avy any an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo omby haondrana ho aty an-drenivohitra, nefa misy sasantsasany anefa no tsy ara-dalàna fa hosoka ny taratasin’ omby, satria misy ny tambajotra efa mpanadio izany.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser