Ankoatra ny asan-dahalo izay efa makalilo ny sofina ny mandre azy dia , mbola mamely mafy ihany koa ny delestazy. Ny Alakamisy tolakandro hatramin’ny Alahady maraina teo no fantatra fa maro ireo fokontany miaina tao anatin’ny delestazy teto an-tapon-tanànan’i Maevatanàna, izay tsy fantatra mazava ny tena hantony. Taorian’ny fitarainana nataony mponina, dia mbola miana amin’ny tsy Ahaizo kitro amin’ny alina, ny ankamaroan’ny olona aty an-toerana amin’izao. Raha ity olana makasika ny fahatapahan- jiro ity no resahaina dia misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro anefa izany, indrindra fa ny andro alina. Efa ho herinandro monja izao no miaina tao anatin’ny fijaliana jiro ny vahoaka. Matetika amin’ny hariva no tapaka ary maraina na ny tolakandro izay vao miverina izany. Tsy mbola misy ny fiovana na teo aza ny fitaraina. Hatreto aloha dia sahirana avokoa ny fianan’ireo olona miaina amin’ny faritra ahitana fahatapahana lavareny ity.
Ratantely