- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManankatafana Soanierana Ivongo : Tratra ireo andian-jiolahy hanafika mpandraharaha jirofo

Manankatafana Soanierana Ivongo : Tratra ireo andian-jiolahy hanafika mpandraharaha jirofo

Nahomby ny fiaraha-miasan’ny fokonolona syny mpitandro ny filaminana tao amin’ny fokontany Manankatafana kaominina Soanierana Ivongo amin’ny lalam-pirenena faha-05 iny, ny alin’ny sabotsy 27 novambra lasa teo. Raha ny fanazavana mantsy dia nahazo antso tamina olona tsara sitra-po ny zandary tao Soanierana Ivongon fa misy andian-jiolahy mihaodihaody hanafika ao amin’ity fokontany Manankatafana ity.

Efa maty paika avokoa ny fanafihana saika ataon’ireto andian-jiolahy ireto nandritra izany araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny zandary hatrany. Mpandraharaha ara-jirofo iray monina ao an-toerana no ho tafihan’izy ireo tamin’izay fotoana izay, ka ny alahady 28 novambra tamin’ny 02ora maraina teo no saika hanaovana ny raharaha satria vao avy nahalafy jirofo ilay tokantrano tao Manankatafana io. Vaonaharay ny vaovao ny zandary dia niantso ny pomisim-pirenena avy hatrany hijery ny raharaha, ka izy ireo miaraka no nanao ny « opération ». Avy hatrany dia nohididian’izy ireo ilay toerana voalaza fa misy ireto andian-jiolahy, ka tsy afa-nihetsika intsony izy ireo vokatra izany. Araka ny fanazavana hatrany dia nidrikina tsy nety hivoaka ny trano nisitrihany ireto andian-jiolahy ireto, nefa nanaiky ihany ny farany raha tratran’ny tery vozon’ny mpitandro ny filaminana fa hitifitra izy ireo raha tsy mivoaka izy ireo. Vehivavy no nivoaka voalohany nandritra izany, nanaraka avy tao aoriana ireo efa-dahy mpiray tendro. Tratra nandritra izany ireo fitaovana saika nampiasaina tamin’ny fanafihana hatao, izay nahita PA vita gasy sy basy « calibre 12 » iray ary bala maromaro na PA sy ilay « calibre 12 » ; teo koa ny fitaovana famakiana trano sy ody gasy isan-karazany. Voalazany zandary hatrany fa vahiny tsy avy ao Manankatafana izy 05 mianadahy tratra ireto fa andian-olona nafarana hanao « opération » fotsiny. Voalaza fa lehilahy iray monina ao amin’ilay fokontany no mpanafatra azy ireo, izay mbola karohina noho ny fitsoahany.

Ny zandary ao Soanierana Ivongo no misahana ny fanadiadiana rehetra amin’izao raharaha izao. Ny tati-baovao no nahafantarana fa efa voatontontona amina raharaha fanafihana tao amin’ny kaominina Ampasina Maningory sy Ampasimbe Manatsatrana distrikan’I Fenerivo atsinanana koa izy dimy mianadahy tratra ireto

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici