Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ary haseho am-pahibemaso ny orinasa Fireworks ny 17 desambra ho avy izao eny amin’ny Musée de la photographie Andohalo. Orinasan-tserasea ivondronana tanora hisehatra amin’ny famoronana sy famokarana hetsika goavana. Manana tanjona ny hitondra ny olona anatin’ny fotoana voafetra hiaina fiainam-baovao sy fandrosoana tahaka ny hita any ivelany ireny ny Fireworks. Izany hoe mifotra amin’ny seho, mampiala voly, mitaiza sy mampianatra ihany koa anefa izy ireo, amin’ny alalan’ny tolotra na vokatra atolotr’izy ireo. Santionany amin’izany ny hetsika hataon’izy ireo amin’ny fampahanfantarana amin’ny fomba ofisialy ny fisiany eny Andohalo ka anehoana ny asa tanana malagasy. Seho entina hanome toerana mendrika sy hanomezana voninahitra ny kalitao sy ny hakanton’ny asa tanana vita eto amintsika. Hisy araka izany ny filatroana anehoan’ireo mpankanto mpanao asa-tanana matihanina eto amintsika. Ankoatra io ny hetsika Krismasy Town, hatao eto andrenivotra ny 21 ka hatramin’ny 24 desambra ho avy izao. Hetsika hanehoana seho mifandraika amin’ny fetin’ny Noely, ahitana mpankanto maro ankoatra ny fampirantina sy kilalao. Amaranan’ny Fireworks azy ny Holy Night, seho iarahana amin’ny mpanakanto iventy ny hiran’ny Noely, ka hanomezana an-tsitrapo izay voahangona ho an’ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka, ho an’ny fikarakarana akanin-jaza.
Yv Sam