Niakatra teo amin’ny andrin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika (courant force). May ny vatany fa kosa tsy namoy ny ainy ilay lehilahy manodidina ny telopolo taona. Izany no nitranga tao Andranomelatra-Antsirabe, amin’ilay lala-mahitsy lavabe eo amin’ny lalam-pirenena fahafito. Tsara vintana, na koa hoe mbola tsy androny ny ho faty. Izay no fahitàn’ny maro ity tranga ity. Ny antony dia satria sendran’ny teo amin’ny fotoana tapaka ny herinaratra na koa delestazy no teny ambony teny ilay lehilahy izay nitsapa soa aman-tsara ny « fil ». May izy satria na maty aza ny herinaratra dia mbola misy ambiny mivezivezy amin’ny fil. Torana teny ambony teny ny tenany ary soa fa nisy nahita sy nihorakoraka. Ireo no nampandre ny Jirama izay tonga teny an-toerana ary nampidina azy avy eny ambony eny. Avotra soa aman-tsara ny ainy saingy kosa feno may hatrany amin’ny tarehany. Ny amin’izay antony niakarany teny indray dia mbola tsy voafaritra mazava. Izay nanavotana ny ainy mantsy no nahamaika ny tompon’andraikitra aloha. Na izany aza efa azo eritreretna ihany ny mety hoe famoizam-po satria tsy misy olona izay azo heverina fa tsy mahafantatra fa mahafaty avy hatrany ny fiakarana eny amin’ny andrin-jiro sy ny fikasihana herinatratra entin’izy ireny. Raha ny tranga fahita aza, izay vao nisy izany hoe nikasika fil an’ny andrin-jiro ka tsy maty. Vetivety dia niparitaka ny sary izay nisy an’ilay lehilahy nihantona teny ambony teny. Maro no nihevitra fa olona efa maty izy saingy navoakan’ny olona izay nahita teny an-toerana ny sariny efa tafidina tamin’ny tany izay velon’aina soa aman-tsara na may aza. Izay vao nino ny mpanara-baovao.
D.R