Nampidera ny fahaiza-manaony mahakasika ny basy teny an-tanany ity farany, kanjo voapotsitra tampoka ny « detente ». Maty tsy tra-drano ity miaramila ity. Zava-nitranga tao Beronono, di’trikan’Anjozorobe afak’omaly.
Miaramila iray, mitondra ny galonan’ny kapôraly, izay miasa eo anivon’ny DAS (détachement autonome de sécurité) tao amin’ny kaominina Beronono no namoy ny ainy ny harivan’ny alarobia lasa teo, rehefa nahatifi-tena tsy nahy tamin’ny basiny ihany. Raha ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa nifanao fotoana tamin’ny namany iray « promotion » taminy izy tamin’io fotoana io. Niala tany amin’ny toerana nanirahana azy, tokony ho 10 km miala teo, ary nandeha irery sy tonga tao an-tampon-tanana. Nijanona nisotrosotro tamin’ny fivarotana iray teo an-tanana nony avy eo. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany hariva tany ho any, asa na hoe efa nentin’ny alikaola ranamana, fa nampidera ny fahaiza-manaony tamin’ny fikirakirana ny basy « kalach » teny an-tanany izy. Nanomboka tamin’ny fanesorana ny fitoeram-bala izany sy ny fikitikitihana ireo bokotra teo amin’io fitaovana io. Tampoka teo anefa no nirefotra tampoka izany fitaovam-piadiana izany, raha mbola nanondro teny amin’ny lohany ny vavam-basy. Niditra teo ambany masony ny bala ary nivoaka teo an-tampon-dohany ary nifatratra teny amin’ny valin-drihana. Matsy tra-drano ity farany. Araka ny fanazavana azo dia « mbola nisy bala tavela tao anatin’ilay basy, na dia efa nesorina aza ny fitoeram-bala. Voatsindriny tsy nahy anefa ny « detente », mampipoaka ny basy ». Nidina avy hatrany tany an-toerana nanao ny fanadihadiana moa ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Beronono. Efa nampandrenesina ny lehiben’ity miaramila ity isan-tsokajiny avy. Ny razana kosa dia efa nalefa any Ambatomanoina, izay misy ny tobin’ny holafitry ny miaramila faha-107.
m.L