Niakatra teo anivon’ny sampam-pitsarana ady heloka bevava andiany faharoa Toamasina ny raharaha laharana faha-144-Toa/18-2532-RP/17, izay nikasika ireo andian-jiolahy folo namaky magazay nangalarana Jirofo tao Tanandava izay 34 gony amin’ny 70kgs isany, izay nampiasaina fitaovam-piadiana ny taona 2018. Tsy nisy nanatrika ny fotoam-pitsarana na ireo ireo jiolahy 10 voatondro tamin’izany raharaha halatra jirofo izany, fa efa samy nahazo fahafahana vonjy maika izy ireo noho izy ireo tapitra fetrandro fihazonana azy am-ponja vonjy maika, nefa tsy nanohy izany intsony ny fitsarana. Vokatra izany dia ny fandinihana ny efa voarakitry ny ao anatin’ny antontan-taratasin’ady noho ny famotorana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana, no nitondran’ny mpitsara ny fanampahan-keviny tamin’ity raharaha ity. Didy fanamelohana foto taona an-tranomaizina asa an-terivozona, izay narahana didy fampisamborana ireo voaheloka, izany nahitana an-dry Ramiarisoa Julien – Zafindranony Mario – Sissy Roger- sy ireo naman’izy ireo telo hafa, raha afaka noho ny fisalasalana kosa ny efatra hafa voaroiroy niaraka tamin’izy ireo. Eo am-panatanterahana ny didy nivoaka ity izany ankehitriny ireo mpitandron’ny filaminana ahitana ny zandary sy ny polisim-pirenena.
Malala Didier