- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversFandefasana olona any Dubai : Hatramin’ny iray tapitrisa ariary isan’olona no azon’ireo olon-dratsy

Fandefasana olona any Dubai : Hatramin’ny iray tapitrisa ariary isan’olona no azon’ireo olon-dratsy

Tambazotra iray indray no ravan’ny pôlisy avy ao amin’ny ivon-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana. Tambazotra izay mpandefa vehivavy na ankizivavy hiasa any amin’iny tany arabo. Miisa fito izy ireo no tra-tehaka ary samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.

Ny faramparan’ny volana novambra teo no voasambotry ny pôlisy ireto olon-dratsy ireto, niaraka tamin’ireo vehivavy nokasain’izy ireo halefa any ivelany, teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Ny 16 novambra lasa teo dia olona roa no tra-tehaka. Vehivavy iray niaraka tamin’ny olona voalaza fa handefa azy. Mbola tsy ampy taona io vehivavy. Ny 27 novambra indray, dia olona 13 no voasambotra. Vehivavy fito indray no nokasaina alefa tamin’io fotoana io, ary miisa enina ireo olon-dratsy, izay vehivavy ny efatraary misy efa mpamerin-keloka ny iray. Voalaza fa saika halefa any Dubai ireto vehivavy ireto, avy havantana any Oman avy eo.

Volabe. Mahazo hatrany amin’ny iray tapitrisa ariary isan’olona lasa any ivelany ireto andian’olona eto an-toerana ireto, ankoatry ny vola alain’izy ireo tsy ara-dalàna amin’ireo vehivavy lasibatra. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia misy amin’ireto mpandika lalàna ireto no misandoka ho pôlisy miasa eo anivon’ny sisin-tany. Maka vola hatrany amin’ny roa tapitrisa ariary any ho any, izy ireo araka izany, hilazàny fa hoe entiny hanamorana ny famoahana azy ireo any ivelany. Izany vola izany dia ankoatry telo tapitrisa ariary alohan’ireto vehivavy ireto isan’olona, ho saran’ny fikarakarana taratasy hosoka sy ny saran-dalana.

Vao nisokatra ny sisin-tany dia nahazo vahana ihany koa ireto olon-dratsy ireto. Izay indrindra no nahamailo tanteraka ireo mpitandro filaminana ka nanaovan’izy ireo hetsika handravana izany tambazotra izany ary dia izao nahazoana vokatra izao sahady. Tsiahivina fa mbola mihatra tsara eto amintsika ny lalàna 2013-594 tamin’ny 06 aogositra 2013, izay mandrara ny fandefasana olona hiasa any amin’ny firenena mampiahiahy ary anisan’izany ny tany arabo. Efa nofoanana araka izany ihany koa ny fahazoan-dalàna miorina ho an’ireo « agence » mpanao io asa io araka ny lalàna  20380/MEETFP tamin’ny 11 jona 2015. Fandikan-dalàna maromaro araka izany no hanenjehana ireto olona voasambotra ireto, antony nahatonga ireo mpitsara mpanao famotorana teny anivon’ny PAC izay nanolorana ny raharaha, hampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici