- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Pasitera Benjamina : Nivitrana ny fihavanana, samy hanala ny fitoriana

Raharaha Pasitera Benjamina : Nivitrana ny fihavanana, samy hanala ny fitoriana

“Tsy mpivavaka na izany avy atsy amin’ny andaniny na izany avy amin’ny ankilany aho. Saingy vitako kosa ny namitrana ny fihavanana teo amin’ny Pasitera Benjamina sy ireo nisy disadisa taminy. Ny alatsinainy hariva teo no natao ny fampifanatonana ny roa tonta tetsy amin’ny Motel Anosy”, raha araka ny fanazavan’i Zafimanantsoa Vincent de Paul. Notohizan’io farany fa hisy ny fanalàna ny fitoriana rehetra avy amin’ny roa tonta. Na izany aza anefa dia tsy maintsy miandry ny didim-pitsarana ihany, satria misy ny raharaha efa mandeha. Saingy izao finiavana avy amin’ny andaniny sy ankilany izao dia efa midika sahady fa tsy ho lasa lavitra intsony ny raharaha, efa samy nanetry tena tanteraka ny roa tonta, raha araka io loharanom-baovao io hatrany. Tsy midika akory izao fihavanana izao fa hiverina ho iray toa ny taloha ihany izy ireo. “Samy manana ny finoany ary manomboka izao dia samy manaja ny azy,ka tsy hifampidipiditra intsony amin’izay mety ho fiainan’ny fiangonana tsirairay avy” hoy ihany i Zafimanantsoa Vincent de Paul. Mbola tsy nandrenesam-peo kosa ny avy amin’ny Pasitera Benjamina, momba ity raharaha fampihavanana ity. Loharanom-baovao akaiky azy no nilaza fa ny ray aman-dreny, indrindra mpitarika fiangonana, dia tsy maintsy mamela heloka. Toa midika izany fa nanaiky ny fampihavana ihany koa ity mpitarika ny fiangonana FTJS7 ity. Ny zoma izao izy ireo, raha araka ny fanazavan’ilay loharanom-baovao akaiky ny FTJS7 no hanome ny valin-teny ôfisialy momba an’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser