- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Ramatoa mpisoloky nampiasa ody mahery fandraikiraikena, tra-tehaka raha saika haka...

Manakara : Ramatoa mpisoloky nampiasa ody mahery fandraikiraikena, tra-tehaka raha saika haka vola 44 tapitrisa Ar tamin’ny banky

Ramatoa iray saiky hisoloky vola 44 tapitrisa ariary tamina banky iray tao Manakara no voasambotry ny Polisy, ny asabotsy teo. Raha ny fanazavana azo, nampiasa taratasy sandoka sy hosoka tamin’ny anaran’ny FID ity renim-pianakaviana ity. Mailo tamin’ny fihetsiny hafahafa ny tompon’andraikitra tao amin’ity banky lehibe iray ity, ka niantso avy hatrany ny Polisy avy amin’ny « Commissariat Central » Manakara. Na dia nampiasa ody mahery sy fonoka (nahitana vola madinika 15 isa, andriam-by iray, voan-javatra mifono lamba mena sy taratasy fotsy misy soratra teny tsy fantatra) izay ninoany nanaovany fandraikirekena ity vehivavy ity, dia voasambotra avy hatrany teo am-panaovana ny asa ratsiny. Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy, natolotra ny Fampanoavana ramatoa, ary nidoboka am-ponja vonjy maika ao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoangy miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici