- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManja : Zandary roa lahy mamo, nitifitra mpandraharaha mpitoto vary teo imasom-bahoaka

Manja : Zandary roa lahy mamo, nitifitra mpandraharaha mpitoto vary teo imasom-bahoaka

Mitohy hatrany ny herisetra sy vono olona ary fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitandro filaminana sasany zatra ny lalan-dririnina any ambanivohitra. Zandary roa lahy voalaza fa mamo miasa ao amin’ny Borigadin’ ny Zandarimaria Ankiliabo no nitifitra mpandraharaha mpitoto vary iray tao an-tanànan’i Fenoarivo, Fokontany Rangahinomby, Kaominina ambanivohitra Ankiliabo, any amin’ny Distrikan’i Manja, ny 1 desambra teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Nitifitra variraraka imasom-bahoaka tamin’ny basy « Kalach » sy « MAS 36 » ireto Zandary mamo, ka bala iray no niantefa teny amin’ny fen’ity lehilahy 40 taona mpandraharaha ity, ary naratra mafy nihosin-drà ity farany, ka mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.

Tifitra variraraka. « Tonga teo amin’ny toeram-piasako misy ny milina fitotoam-bariko ny Zandary roa efa mamo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy nampiseho taratasy hoe : haka ahy izy ireo. Tsy nisy alaharo fa tonga dia nitoto vodim-basy ahy teo anatrehan’ny olona maro be izy ireo. Rehefa naratra aho dia nilaza izy ireo fa hoentina any amin’ny Sefo Fokontany ianao. Teny an-dalana tsy lasa lavitra akory ny toerana misy ny fitotoam-bariko anefa, tokony 5 metatra eo. Niteny tamiko ireo Zandary mandehana aloha ianao fa izahay manaraka ato afara. Vita izay, vavam-basy nirefodrefotra tsy latsaky ny folo no henoko, ary niatefa teo amin’ny feko havanana ny bala iray. Nikarapoka tamin’ny tany aho ary naratra mafy nihosin-drà, ka nalain-dry zareo ny Basy P.A tao am-paosiko izay hananako taratasy ara-panjakana mazava. Avy eo napoakan-dry zareo ny basiko dia niantso any C.B izy ireo fa notifirinay i Dodet fa namaly. Ny hamono ahy mihitsy ny tanjon’ireto Zandary ireto izay tsy fantatro mazava ny antony hatramin’izao. Tsy dahalo aho, ary fantatry ny rehetra fa mpandraharaha tanora mpanoto vary ny asako sady tantsaha mpamboly vary manana tanimbary 15 ha », hoy Tsiombota Tovo Dodet.

Fanenjehana ara-pitsarana. Araka ny nambaran’ny niharam-boina hatrany : « Noho ny fialonana, ary miely ny feo ankehitriny, fa handeha hanakarama olona ireo Zandary ireo mba hamono ahy aty amin’ny hopitaly, ka nampitandrina ahy mafy ny dokotera mitsabo ahy, ary izany no antony mahatonga ireo fianakaviako maro ireo manara-maso ahy. » Manoloana ny fihoaram-pefy sy fifofoana aina, manao antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa sy ny mpitondra fanjakana ity tantsaha mpandraharaha niharan’ny herisetra sy vono ity sy ny fianakaviana mba hijery akaiky izao raharaha izao. Mangataka ihany koa izy ireo mba hanenjehana ara-pitsarana an’ireto mpitandro filaminana nahavanon-doza mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny tandroka aron’ny vozona, satria tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tsy misy olona ambonin’ny lalàna izany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici