Vôlkano hipoaka ! Toe-javatra hafahafa tokoa no nitranga tao amin’ny tanàna iray, antsoina hoe Alavarano, fokontany Antsapanimahazo, ao amin’ny kaominina Mananasy, distrika Soavinandriana Itasy, ny faran’ny herinandro teo. Lavaka iray, vokatry ny fitriahan’ny tany, sahabo ho iray metatra eo ho eo ny savaivony no nidonan-tsetroka ho azy, tsy lavitry ny tanimbary iray tao amin’io tanàna io. Ary tsy vitan’izay fa mbola namoaka fofona hafahafa ihany koa. « Lalindalina ihany io lavaka io ary nanomboka ny faran’ny herinandro teo no tena nijolofotra setroka sy namoaka ilay fofona » hoy ny fampitam-baovao azo. Avy hatrany dia tany amin’ny hoe afotroa na vôlkano mitady hipoaka ny noheverin’ny rehetra. Feo niely rahateo ny hoe fiandohan’izany vôlkano hivoaka ety ivelany ny tranga tahak’izao. Izay toe-javatra izay no nampikoropaka sy nampitahotra ireo olona maro. Na izany aza anefa, nisy tamin’ireo mponina ihany no niezaka nandefa rano tao anatin’ilay lavaka sao hoe zavatra nirehitra ka mba ho mora vonoina.
Fako nodorana. Efa nampilazàna teo no ho eo avy hatrany mahakasika ity tranga ity ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Ny Ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Mananasy, Atoa Razafindrabe Germain, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana dia nidina ifotony mihitsy nijery ny zava-nisy. Araka ny fanazavana dia « tsy azo sainina velively izany hoe vôlkano hipoaka izany ». « Raha ny marina, hoy izy, rehefa nojerena ifotony, dia azo heverina ho nisy olona nandoro fako teo amin’io toerana io, saingy tsy maty ny afo fa nahazo zavatra mora mirehitra tao ambanin’ny tany tao. Azo eritretina mantsy hoe misy « soufre » ao ambany ao, antony nahatonga ilay fofona hafahafa ». Raha ny voalazany hatrany dia efa maty sy tsy mamoaka setroka intsony ilay lavaka, rehefa notondrahan’ireo mponina ny rano omaly. « Na izany na tsy izany aza anefa, araka ny nambarany hatrany dia efa nandefa tatitra tamin’ireo ambaratonga mahefa rehetra tany ambony tany aho, ary hisy ny fitsirihana ataon’ireo teknisianina sy ny mpitsabo aty an-toerana »
Raha ny fantatra tokoa dia tsy vao izao no nalaza ity resaka vôlkano mitady hipoaka any amin’iny faritra Itasy iny. Samy miara-mahatadidy angamba ny rehetra, volana vitsivitsy lasa izay, ny tamin’ny nisiana tany mivohitra ho azy, nitranga tao anatin’ny andro vitsy monja. Nanome toky anefa ireo teknisianina nijery ifotony teny an-toerana fa tranga tsy misy atahorana velively izany, ary raha mbola eto Madagasikara dia tsy misy vôlkano ahatahorana ho velona izany, toy ny fahita any amin’ireo firenena hafa.
m.L