- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Vehivavy roa mpanataka poketra tratran’ny polisy

Ambodin’Isotry : Vehivavy roa mpanataka poketra tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy teny Ambodin’Isotry ny vehivavy roa mpangaro-paosy sy mpanataka poketra, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalazan’ny polosy, maro ireo mpiantsena mitaraina fa tataka poketra rehefa iny miantsena eny ambodin’isotry iny. Nidina teny an-toerana ny polisy manao fanamiana sivily mihaodihaody eny an-tsena mijery ireo olon-dratsy manao izany. Ramatoa miisa roa, 48 taona sy 25 taona no tra-tehaka tamin’izany. « Miara -mitakosona amin’ny olona mpiantsena ireto ramatoa miisa roa ireto ary mampiasa zava-maranitra izy hanatahany ny poketran’ireo mpiantsena ka alainy mora ny entana izay voarainy sy hitany ao », hoy ny finazavan’ny polisy momba ny fomba fiadin’izy ireo. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa ireto ramatoa ireto no nanendaka vehivavy iray nitondra poketra nisy vola sy finday avo lenta rehefa nandalo teny Ambodin’Isotry. Efa narahan’izy ireo ilay vehivavy ka rehefa sendra ny toerana somary teritery dia noendahin’izy ireo. Efa misy mpahafantatra ihany ireo vehivavy mpanao ratsy ireo saingy atahoran’ny olona. Izao kosa anefa tratra amin’izay izy ireo. Natolotra ny fampanoavana izy roa vavy ireto dia nalefa any amin’ny fonjan’Antanimora.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici